Toko 1

1 Simona Petera, mpanompo sady apostolin'i Jesosy Kristy, ho an'izay nahazo e finoagny sarobidy ako e noraisinay, finoagny ame fahamarinan'Andriamanitry izy am'i Jesosy Kristy Mpamonjy. 2 Hampitomboigny anie e fahasoavagny izy ame fiadanagny nohon'e fahalalagny an'Andriamanitry izy am'i Jesosy Tompontsika. 3 E raha agnaby mahakasiky e herin'Andriamanitry ho an'e fiainagny izy ame toe-pagnahy da nomegny antsika tame alalan'e fahalalagny an'Andriamanitry, izay niantso antsika tame alalan'e voninahitriny izy ame fahatsarany manokagny. 4 Tame alalan'e nomeny zaka fikasagny tsara sady zakabe indrindra itsika, mba ho lasa mpizara amin'ny fomban,Andriamanitry anareo, raha miala e fahalotoagny izay eto an-tany nohon'e filàn-dratsy. 5 Noho izany, magnamboara e tsara indrindra mba hagnampiagny fahatsaragny amin'e alalan'e finoanareo, da ame alalan'e fahatsaranareo, e fahalalagny. 6 Ame alalan'e fahalalanareo, magnampia fahonognam-po, da ame alalan'e fahonognam-ponareo, magnampia fiaretagny, da ame alalan'e fiaretanareo, magnampia toe-pagnahy. 7 Ame alalan'e toe-pagnahinareo, magnampia fitiavagny rahala, da ame alalan'e fitiavagny rahala, magnampia fitiavagny. 8 Raha ao aminareo io raha aby io sady mitombo ao anareo, da tsy hamoa na tsy hamokatry ame fahalalagny an'i Jesosy Kristy Tompontsika anareo. 9 Fa ndre ia ndre ia tsy ampy an'io raha io da tsy mahita afa-tsy izay akeky; jamba izy. Nadignoiny e fagnadiovagny anazy tamin'e fahotany taloha. 10 Noho izany sa rahalà, anio aby izay mba hazahoagny antoky e fiantsoagny izy ame fifidianagny anareo. Raha magnano an'io raha io aby anareo, da tsy ho voafingagny. 11 Amin'izay da malalaky ho anareo e fidiragny ame fanjakagny mandrakizay izay an'e Tompontsika izy am'i Jesosy Kristy mpamonjy. 12 Noho izany da vonogny fezay iao hampatsiaro anareo an'io raha io, ndre da fantatrareo izany, sady ndre da matanjaky ame marina anareo amin'izao fotoagny izao. 13 Iao mieritreritry fa rariny aminà e mamoha anareo ame fampatsiahivagny izany raha izany, raha mbola etoa amin'ity tragno-lay ity iao. 14 Satria fantako fa tsy ho ela da ho alako e tragno-laiko, ako e naboakin'i Jesosy Kristy Tompontsika anà. 15 Da ho aniko izay farany vitako mba hahatsiarovanareo mandrakariva izany raha izany refa lasa iao. 16 Fa iay da tsy nagnaraky tafasiry tsara rafitry izay noforonigny refa niresaky taminareo e momba gne hery izy ame nisehoan'i Jesosy Kristy Tompontsika. F'izy, iay da vavolombelogny nahita e fiandrianany. 17 Fa Izy da nahazo laza amam-boninahitry avy tamin'Andriamanitry Ray refa nisy feo avy tamin'Azy tame voninahitry zakabe indrindra nagnano hoe: "Ity e Zanako malalako, izay sitrako indrindra." 18 Nahare izany feo avy lat'an-dagnitry izany iay, refa niaraky tamin'azy t'an-tendrombohitry masigny. 19 Itsika da managny ity zaka faminaniagny izay efa nanigny mafy origny ity. Tokony hitandrigny izany tsara anareo. Izany da ako e jiro mazava agnatin'e mizigny mandra-piavian'e mandraigny izy ame kintan'e marandraigny miposaky am-ponareo. 20 Fantaro aloha izao, fa tsy misy faminaniagny avy ame famoahan-kevitr'e olo. 21 Fa tsy misy faminaniagny avy tame sitrapon'e olo. F'izy, nitarihin'e Fagnahy Masigny izany mba hizaka izay nozakain'Andriamanitry.