Toko 1

1 Avy amin'e olombe kahatramin'gne viavy voafidy sy gne zanany, izay tiako amin'gne fahamarinagny - sady tsy iao avao, fa gne maro izay nahafantatry gne marina avokoa - 2 nohon'gne fahamarinagny izay mipetraky agnatitsika sady hiaraky amintsika mandrakizay. 3 Ho amintsika anie gne fahasoavagny, gne famindram-po, gne fiadanagny avy amin'Andriamanitry Ray sy avy amin'i Jesosy Kristy, Zanak'e Ray, amin'gne fahamarinagny sy fitiavagny. 4 Tena faly iao satria nahita gne sasany amin'gne zanakao mandea amin'gne fahamarinagny, ako gne nandraisatsika izany didy izany avy tamin'gne Ray. 5 Da mangataky aminao iao, raviavy - tsy ako gne manoratry didy vaovao aminao iao, fa gne nanagnatsika hatramin'gne voaloany - da gne tokony hifankatiavantsika samby isika. Iao gne fitiavagny, da gne mba handianatsika araky gne didiny. 6 Izao gne didy, araky gne regninareo hatramin'gne voalohany, da gne tokony handiananareo amin'izany. 7 Fa maro gne mpamitaky efa lasa amin'izao tontolo izao, sady indreo da tsy magneky an'i Jesosy Kristy da tonga tamin'e nofo. Izany gne mpamitaky sy antikristy. 8 Iteo gne tegnanareo, mba tsy hahavery gne ra izay efa vitantsika marobe, fa mba handraisanareo valim-pitia feno. 9 Ndre ia ndre ia mandea aloha sady tsy mitoetra amin'gne fampianaran'i Kristy da tsy managny an'Andriamanitry. Gne raiky izay mitoetry amin'gne fampianaragny, izany raiky izany da managny gne Ray sy gne Zanaky. 10 Ra misy olo tonga aminao sady tsy mitondra izany fampianaragny izany, da ka mandray anazy ho an-dragnonao sady ka miarahaba anazy. 11 Fa gne miarahaba anazy da miombogny amin'gne ratsy aniny. 12 Managny ra maro ho soratagny aminareo iao, f'izy iao tsy magniry hanoratry izany amin'gne taratasy sy ranomainty. Ndre izany aza, magnategna gne ho tonga aminareo agny iao sady hiresaky mivantagny, mba ho tanteraky gne fifalianareo. 13 Magnano veloma anareo gne zanak'e rahavavinao voafidy.