Toko 1

1 Paoly, Apolosy raiky an'i Kristy Jesosy tamin'e sitrapon'Andriamanitry, sy Timoty ralàntsika, ho an'e fiangonan'Andriamanitry izay amin'e Korinto, sady hoan'ireo mpino agnaby magneragny e faritry Akaia. 2 Ho aminareo anie gne fahasoavagny sady gne fiadanagny avy amin'Andriamanitry Raintsika sy Tompo Jesosy Kristy. 3 Ho deragny anie Andriamanitry sy Rain'e Tompontsika Jesosy Kristy. Izy gne Rain'e famindram-po agnaby sy Andriamanitry gne fampiononagny rehetra. 4 Andriamanitry da mampionigny antsika amin'e fahoriantsika agnaby, mba ahafantsika mampionigny ireo izay agnaty fahoriagny. Isika da mampionigny ireo hafa akô gen fampiononagny izay nampiasan'Andriamanitry ampiononagny antsika. 5 Fa akô gne hitomboan'e tijalian'i Kristy nohon'e gn'aminay, gne hitomboan'e fampiononagny anay koa amign'alalan'e Kristy. 6 Fa râ nampahoriagny iay, izany da ho an'e fampiononagny sy famonjegny anareo. Sady rânampiononagny iay, izany da ho an'e fampiononagny anareo. Gne fampiononagny da mandaitry refa manam-pahatetagny hizara ireo fijaliagny izay mitovy amin'e fijalianay koa. 7 Fa gne fahatokisanay momba anareo da azo antoky, satria iay da mahafantatry fa anareo avakoa da mizara ireo fijaliagny, anareo koa da mizara fampiononagny. 8 Fa tsy tianay anareo tsy ahalala, ry ralà, gn'amireo olagny nahazo anay tagny Asia. Iay da novesarigny tanteraky mihôtry gne tokony ho zakanay, maro lôtry da tsy nagnantegna gne hiaigny ela esanaky iay. 9 Taminay tokôtry gne fagnamelohagny e ho faty. Fa izany e nahavy anay tsy hametraky gne tkinay eo amin'e tegnanay avao, f'izy amin'Andriamanitry izay mampitsangagny e maty. 10 Nagnavotry anay tamin'e loza mahafaty akô izany Izy, sady mbola hagnavotry indraiky. Iay da nametraky gne tokinay taminazy fa mbola hagnafaky anay inddaiky Izy. 11 Izy da hagnano izany satria anareo avakoa da manampy anay amign'alalan'e vavakareo. Sady maro avy eo gne hagnome fisaoragny amign'agnaranay noho gne tombom-pahasohavagny nomegny anay tamign'alalan'ireo vavaky gne maro. 12 Iay da mirehareha amin'izao fijoroagny vavolombelogny gn'amin'e feon'e fieritreretanay. Fa tamin'e fikasagny madio sy fahatsoram-po izay avy amin'Andriamanitry izay nindesanay gnetegnanay ao amin'izao tontolo izao. Iay da nahavita izany agnaby sady gn'akamaroanay niaraky taminareo-tsy tamin'e fahendren'izao tontolo izao, fa tamin'e fahasoavan'Andriamanitry. 13 Iay da tsy nanoratry zavatry tsy ho voavaky na ho azonareo. Iao da magnategnafa, 14 satria anareo nahazo gne momba anay amign'ampahany, iay da ho anton'e reharehanareo amign'andron'e Tompontsika Jesosy, akô anareo ho antony hireharehanay. 15 Satria natoky e momba izany iao, da ta ho agny aminareo heky, mba ahafahanareo mahazo tombony amin'e famangiagny roy. 16 Niomagny gne hamangy anareo refa tegny amin'e lalagniko ho agny Makedonia iao. Sady avy da mbola agniry hamangy anareo indraiky iaotamin'e diako avy agnay Makedonia, sady gne hagnanteranareo anà tegny amin'e lalagniko ho agny Jodia. 17 Refa nieritreritry akô izany iao, nisalasala me iao? Nagnomagny ireo zavatry ireo arak'enofotry me iao, mba izakanako "Eka, eka" sy " Tsia, tsia" amin'e fotoagny raiky avao? 18 Fa satria Andriamanitry da mahtoky, isika da tsy afaky gne hizaka na " Eka" na "Tsia." 19 Fa gne Zanak'andriamanitry, Jesosy Kristy, izay nitorian'i sylvanosy, Timoty sady iao taminareo, da tsy "Eka" na "Tsia." fa Izy da nizaka fehizay hoe "Eka." 20 Satria gne fampagnateganan'Andriamanitry agnaby da "Eka" avokoa ao aminazy. Da amign'alalan'e koa isika da hizaka hoe "Amena" ho an'e voninahitr'Andriamanitry. 21 Sady Andriamanitry izay magnamafy anay aminareo ao amin'i Kristy, sady Izy gne nagniraky antsika. 22 Izy da nagnisy tombokasé tamintsika ary nagnome gne Fagnahy ho ao am-pontxika ho antok'izzy mbola ho omegny antsika agny afara. 23 Fa nangahiky an'Andriamanitry iao, hijoro vavolombelogny ho anà izay gnantony tsy nihaviako tao Korinto mba hamindrako fo aminareo. 24 Izany da tsy sagnatria noho iay miezaky gne mamehy izay tokony ho finoanareo. F'izy, iay da miaraky miasa aminareo amd fifalianareo, satria anareo mijoro ao amin'e finoanareo.