Toko 1

1 Paoly, apostolin'i Kristy Jeossy araky gne didin'Andriamanitry mpamonjy antsika izy amin'i Kristy Jesosy tokantsika, 2 ho an'i Timoty,zanaky lelà marina ao ame finoagny: Fahasoavagny, famindram-po, sady fiadanagny avy amin'Andriamanitry Ray izy amin'i kristy jesosy tompontsika. 3 Araky gne nangatahiko mafy ho ataonao refa niala tao Makedonia iao, mipetrà ao Efesosy mba hahafahanao mibeko gn'olo sasany tsy hampianatry foto-pampianaragny hafa. 4 Tsy tokony hitandrigny gne tantara izy ame tetiaragny tsisy fiafarany indreo. Io da niteraky adi-hevitry fa tsy magnampy gne drafitr'Andriamanitry, izay ame gn''alalan'e finoagny. 5 Sady gne tanjon'e didy da fitiavagny avy ame fo madio, avy ame feon'e fieritreretagny tsara, sady avy ame finoagny tsy mihatsaravelatsy. 6 Gn' olo sasany da tsy nahatratry gne tanjogny sady niala tamin'io raha io ho agny ame " lahateny molamola". 7 Indreo da te ho mpampianatry lalàgny, kanefa indreo tsy mahazo gne raha zakanigny sady hizingizignindreo. 8 Fa itsika da mahafantatry fa gne lalàgny da tsara raha misy raiky mampiasa an'azy ame ara-dalàgny. 9 Itsika da mahafantatry an'izany, fa gne lalàgny da tsy nanigny ho an'olo marigny, fa ho an'e mpandika lalàgny izy ame olo mpikomy, ho an'e ratsy fagnahy izy ame mpanota, sady ho an'e andriamani-diso sy tsy masigny. Izany da nanigny ho an'e izay mamono an'i abany amin'ny endriny, ho an'e mpamono olo, 10 ho an' e ratsy fitondran-tegna ara-nofotry, ho an' e sodomita, ho an'e mpaka an-kerin'olo mba ho andevozigny, ho an'e mpavandy, ho an'e vavolombelogny tsy marigny, sady ndre ino nde ino hafa manofitry gne fampianaragny mahatoky. 11 Io fampianaragny io da mifagnaraky ame filazantsaran'e voninahitr'Andriamanitry voatahy izay nankinigny taminà. 12 Isaorako i Kristy Jesosy tompontsika. Nampahery anà Izy, fa naniny mahatoky iao, sady nagnambara anà ho ame fanompoagny Izy. 13 Iao da mpizaka ratsy, mpagnenjiky, sady lelà mahery setry. Kanefa nahazo famindram-po iao satria tame tsy fahalalagny gne nagnamboarako an'izany noho gne tsy finoagny. 14 Fa gne fahaosavan'e Tompontsika gne nandrakotry finoagny sy fitiavagny izay ao amin'i Kristy Jesosy. 15 Izao hafatry izao da azo antoky sady mendriky gne fagnekegny agnaby, fa i Kristy Jesosy da avy tetoa ambonin'e tany hagnavotry gne mpanota. Iao gne ratsy indrindra tamin'io. 16 Fa noho izany antony izany gne namindrandragny fo taminà, mba ame alalako, gne zakabe indrindra, i Kristy Jesosy da mety hagnabôky gne faharetagny agnaby. Nagnano an'izany Izy ho ohatry ho an' izay magniry hatoky an'Andriamanitry ho an'e fiainagny mandrakizay. 17 Sady ho an' e mpanjakan'e taloha, tsy mety maty, tsy hita maso, da ho an'Andriamanitry raiky, anie gne laza izy ame voninahitry mandrakizay doria.Amena. 18 Izao didy izao ro gne omeko anao, Timoty, zanako, araky gne faminaniagny nanigny makasiky anao taloha, fa anao da mety hiady gne ady tsara, 19 gne fiazonagny gne finoagny izy ame feon'e fieritreretagny tsara. Tame fandavagny an'izany, misy gne nagnano sambo vaky gne finoagny. 20 Mitovy an'i Hymeneo sy Aleksandro, izay natolotry ho an' i Satana mba ampianaragny andreo tsy hizaka ratsy.