Toko faha 16

1 Ankiniko aminareo i Foiby anakavintsika, zey mpanompony fiangonana agny Kenkrea, 2 mba angalanareo anazy ao Amy tompo. Amboary zany ami fomba magneva andreo mpino, ary magnatreha amizany olana mety ilainy gny fagnampianareo. Fa izy tegnany avao koa da lasa mpagnampy gny maro,ary gny tegnako avao koa. 3 Magnamboara veloma amy Prisila sy Akoila, mpiaraka miasa aminan ao amy kristy Jesôsy, 4 zay nahafoy gny aignany indreo hoany gnaignako. Misaotra andreo aho,ary tsy iao raika vao fa ireo fiangonana aby dahôliny Jentilisa ireo avao koa. 5 Magnanaova veloma amigny fiangonana zey ao andragnondreo. Magnanaova veloma amigny Epaineto malalako, zey voalombokatr'Isaia ho an'i Kristy. 6 Magnanôva veloma an'i Maria, zey niasa mafy hoanareo. 7 Magnanaova veloma any Androniko sy Jonia, Havako akaiky, sady niaraka nigadra taminan. Malaza magnoloana any Apostoly indreo izay tao amy Kristy talohako avao koa. 8 Magnanaova veloma an'i Pilato Malalako ao ami tompo. 9 Magnanaova veloma amy arbano, mpiaraka miasa amintsika ao ami Kristy, sy Staky, Malalako Apela, Gny ankatoavina ao ami Kristy. 10 Arabao indreo zey ao ami tokantranon' Aristobolo. 11 Magnanaova veloma amy Herodiona,havako. Magnanaova veloma amindreo zey ao ami tokantranony Narkisa, zey ao ami tompo. 12 Magnanaova veloma an'i Tryfena sy Tryfosa, zey miasa mafy ao aminy Tompo. Arabay i Perysa malala, zey niasa mafy tao amy tompo. 13 Magnanaova veloma ao an' i Rafosy, zey voafidy tao amy tompo,ary i endriny sy i endriko. 14 Maganaova veloma an' i Synkrito,Flegona, Hermesy,Patroba, Herma, ary ireo rahalahy zey miaraka amindreo. 15 Magnanaova veloma an'i Flologia sy Jolia, Nerea sy ny anabaviny, sy Olimpa,ary ireo mpino aby daholo miaraka amindreo. 16 Mifagnaova veloma aminy fifagnoroana masina. Ireo fiangonana aby daholo da magnano veloma anareo. 17 Ankehitriny da mandrisika anareo iao. Rahalahy, mba andinika mba andinika gny mombandreo zey mahatonga gny fizarazarana sy gny fanafitoignana. indreo da mihôtra lavitra gny fampianarina zey niresindreo. Misità lavitra andreo. 18 Fa tsy manompo an'i Kristy tompontsika gny olo mananky anio, fa gny kibony raiky avao. aminy koragna tsotra sy mandroborobo gny amitahandreo an'ireo fon'ny tsy managnonta. 19 Fa gny fagnoaranareo amy gny fagnekena da tafita aminy kiraidraiky. Ka arak'izany da miravo iao, aminareo, fa teko mba ho hendry amizey tsara indreo, sady tsy anagna tsigny amzey tsy manjary. 20 Zagnahary gny fiadanana agnofokofoka gny lohany Satana eo ambininy tongotrareo afaka kelikely. Lonoka ho aminareo ny fasovany tompotsika Jesôsy Kristy. 21 Timoty mpiaramiasa aminan, da magnano veloma anareo, sy losia, Jasona ary sosipatro, avagnako. 22 Iao, Tertio, zey nanoratra ity epistily ity, da magnano veloma anareo ami tompo. 23 Gaio, Ingay mpandray anan sy gny fiangonana aby daholo, da magnano veloma anareo. Erasto, Mpitagna vola ao ami tanàna, da magnano veloma anareo,miaraka amy Koarto ingay faranjaza. 24 (Fagnamariana: Ny fandikana taloa tena tsara da mangala an'ity andininy ity. (Jahavo gny Romanina 16: 20). ary 24: "Lonoka ho aminareo aby daholo ny fahasoavany Jesôsy Kristy. Amenina.") 25 ka ny voninahitra da ho anazy zey mahavita mampitsangana anareo arakany filazantsarako sy ny fitoriana an' i Jesosy kristy, arakany gny fagnambarana gny mistery zey nofotreriny ho tsy ambaratelo ela be tagny aloa tagny. 26 Kanefa nizakaina anketriny, Ary tamignalalany boki faminagniana gny nampafantarina taminy firenena aby daholy,araka gny didinjagnahary mandrakizay,ho fankatoavana gny finôna. 27 Ho ani Jagnahary tokan'ny fahendrena,ny voninahitra mandrakizay, amign'alalany Jesosy Kristy. amena.