Toko faha 15

1 Ary itsikana ze matanjaka da tokony andefitra gny fahalemen'ny malemy, sady tsy tokony agnano zey mety amignaignantsika. 2 Andao gny tsiraidraiky avy amitsikana agnano zey tsara amigny mpiarabelogna aminazy fa zany gny tsara. mba agnandratana anazy. 3 Ndre i Kristy aza ka tsy nagnano zey mety amitegnany kada. Kanefa koza, zany da efa voasoratra hoe: "fagniratsirandreo ze magniratsira da nidôbika tamina." 4 Ka na ino na ino ze voasoratra taloa da voasoratra ho fampianarana antsika, mba amignalalany faharetana sy amignalalany fampaherezan'ny soratra masigna gny hanagnantsika toky. 5 Ary gn'Andriamanitra gny faharetana sy gny fampaherezana gnagnome gny kiraidraika aby arakan'i Kristy Jesôsy. 6 Izy agnano an'izany mba amigny fisaignana raiky sy amigny vava raiky avao gny hideranareo any Jagnahary sy Rainy tompontsika Jesôsy kristy. 7 Ka noho izany mifandresa, mitovy amigny nandraisan'i Kristy anareo avao koa zany, ho fiderana an' Jagnahary. 8 Da zakaiko fa Kristy da efa tonga mpanompon'ny voafora ho amigny fahamarinan' Jagnahary, mba hafahana magnamarina anireo fapagnategnana nomendreo any ray, 9 Ary hoandreo Jentilisa mba agnomeza-mboninahitra an' Jagnahary noho gny famindrapony. Izany da araka gny ze efa voazaka hoe: " Noho zany da agnome fiderana anao eo amireo Jentilisa Iao sady hihira fiderana agnaranao. " 10 Mbola vôzaka koa hoe: "Mifalifalia, miaraka amy gny vahôkany, ry Jentilisa. " 11 Ary koa hoe: "Derao gny Tompo, ry Jentilisa aby dahôly; avelay gny olo aby dahôly hidera an'azy." 12 Da nizaka koa I Saia hoe : "Hisy fangalan'ny Jese, ary gny raiky zey hitsangna hanapaka eo amigny Jentilisa. Hanagna fahatokisana amin'ireo Jentilisa. 13 Ary Jagnahary fahatokisana gn'agnome anareo amigny fifaliana sy gny fiadagnana aby dahôly amy finôna, mba ho feno fahatokisana anareo, avy amy gneriny fanahimasina. 14 Ny tegnako raika avao koa da resy lahatra gny mombanareo, ry rahalahy, resy lahatra iao fa anareo avao koa da feno fahatsarana, feno aby daholo gny fahalalana, resy lahatra iao fa anareo avao koa da afaka mifagnanatra. 15 Fa manoratra am-pasahina aminareo iao mombany gny raha sasany mba ampatsiahivina anareo koa, avy amigny fagnomezam-pahasoavana zay nomeny gne Jagnahary ana. 16 Izany fagnomezam-pasoavana zany da tokony mba anompoako an'i Kristy Jesôsy nalefany tagny Jentilisa, mba agnome mitovy gny sorona gny filazantsara an' Jagnahary. Tokony amboariko zany mba ho azo ekena gny fagnatitra ndreo Jentilisa,voatokany fagnahy masina. 17 Noho zany gnafaliako da ao amy Kristy Jesôsy sy ireo rahan-Jagnahary. 18 Fa tsy masaky mizaka na ino na ino afa tsy gny raha vitan'i Kristy tamigny gnalalako hoany fankatoavan' ireo Jentilisa iao. Io raha io da vita tamigny teny sy gny asa, 19 tamignerin'ireo famatarana sy fahagagana, ary amigneriny fagnahy masina. Izany da avy agny Jerosalema, sy lavidavitra mitovy an' Ilyrikioma, gnafahako magnatanteraka ny filazantsara an'i Kristy. 20 Amizany , gny fagniriako da gny hitory gny filazantsara, fa tsy gnafatarana an ' i Kristy amy agnarana mba tsy agnorenako amigny efa nagnorenany sasany. 21 Izany da avy amigny voasoratra hoe: "Tamidreo mbola tsy nizaka Anazy no hahita Anazy, ary indreo ze tsy nargny no ahazo." 22 Noho zany avao koa da vôrara matetika tsy hoagny aminareo iao. 23 Fa amizao da, tsy managna toerana amireo faritra ireo koa Iao sady taogna maro gny efa nagniriako fatratra gny hoagny aminareo. 24 Nohon' izany na amivena na amivena gnandanako agny Espana, da magnantegna iao gny hahita anareo laha mandalo, sady aterinareo agny ami gnandanako, laha avy nankafy gny fiarahanareo vetivety iao. 25 Fa amizao da hoagny Jerosalema Iao hanompo ireo mpino. 26 Fa haravoan i Makedonia sy Akaia gny agnano fandraisana anjara an'ireo sahiragna ekipandreo mpino ze agny Jerosalema. 27 Eka, fifaliana hoandreo izany, ary, tena mpisambotra indreo. Fa laha gny Jentilisa gny nizara gny raha masignandre, da tokony anompo andreo avao koa indreo amignaraha ara materialy. 28 Noho izany, laha notanteraiko izao asa izao sady nagnamafy fa voaraindreo gny vokatra ze nalagnona, da hoagny Espaigna iao da amangy anareo amigny lalako. 29 Fantako fa laha mandea aminareo iao da hitsofika amigny fahafenoan'ny fitahian'i Kristy. 30 Amizao da mamporisika anareo iao, ry rahalahy, ami Jesôsy Kristy tompotsika. sy amy fitiavany fagnay, Mba hiaraka hiady aminä anareo amy vavaka ataonareo ami Zagnahary ho anä. 31 Mivavaha mba ho avotra amin'ireo ze tsy makatia any Jodia iao. Sady mba ho ekenindreo mpino gny fanompoako ho an'i Jerosalema. 32 Mivavaha mba hatongavako aminareo ampifaliana amy Sitrapony Zagnahary, sady mba hahafahako mahita fitsarahana, miaraka amindreo. 33 Andriamanitry ny fiadagnana gn'ombanareo mandrakizay. Amena.