Toko faha 14

1 Reso aby gny malemy amign'gny finôna, Kaza mitsara gny tohan-kevita. 2 Gn'olo raiky da managna finohana hihinagna na ino na ino. Fa gny raika zay malemy da tsiminagna laha tsy legioma. 3 Ka ze mihinagna gny raha aby tsy hagnamavo izay tsy mihinagna gn'abidaolo; ka izay tsy minagna gn'raha io aby koza da tsy tsitsara gn'afa mihinagna gny raha aby. Fa Jagnahary efa nagneky anazy. 4 Iza kaiky anao, iza kaiky anao mitsara gn'mpanomponolon-kafa? Eo agnatrehan'tompony izy laha mijoro la mianjera. Fa hatsangany izy, satria gny tompo da afaka manangana anazy. 5 Gn'olo raiky da mihevitra fa misy gn'andro tsara akoahatran'ny gnabiaby. Na gny hafa saky da mihevitra da mitovy aby gnandro abiaby. Apetray gny tsirairaky ho resy lahatra araky saignany aby. 6 Izay miheritreritra gn'andro, da mandinika anizany ho an'ny Tompo; ary izay mihinagna, da mihinagna hoan'ny Tompo, fa misaotra an-jagnahary izy. Izay tsy mihinagna, da mifady hanigna ho an'ny Tompo, izy avao koa da misotra an'Andriamanitra. 7 Fa tsy misy miaigna ho an'ny tegnany itsika, ary tsisy maty ho an'ny tegnay. 8 Fa laha miaigna isika, da maty ho an'ny Tompo. Araka zany na velogna isika na maty, da an'ny Tompo. 9 Fa ho amin'izany antony izany gny nahafatesan'i Kristy ary ka nahavelomany koa, mba hahavy Anazy ho sady Tompon'ny maty no Tompon'ny velogny. 10 Ka anao, nagnino anao laha mitsara ny rahalahinao? Da anao, nagnino anao gn'malaigna gny rahalainao? Fa isika aby da mbola hijoro da tsaraiana ankatrehan'ny seza fitsaran-Jagnahary. 11 Kefa voasoratra hoe: "Laha mbola velogna koa Iao," Hoy gny Tompo, "da hiforitra ankatrehako gn'tsipoko gn'rehetra, ary ka lelean'rehetra da hideran-jagnahary." 12 Ka izany saky, itsika tsirairaika aby agnano tatitra gny tegnany am-Jagnahary. 13 Ka,ôka isika tsy hifampitsara koa, fa koza hanapaka izao, Mba tsametaka vato manafatoigna na hamandrika gny rahalainay. 14 Mahafantatra Iaho fa da resy lahatra amin'ny Tompo Jesosy, ka da tsy misy madio amigny tegnany. Fa hoan'zay mangala na ino na ino da tsy madio avao, da tsy madio zany amin'azy. 15 Satria laha malahelo amignanigna gny rahalainao, da tsy mandea am-pitiavana koa anao. Ka vilavilaina amigny sakafonareo indreo zay namoizan'i Kristy gn'aignany. 16 Da aza magneky an'izay heverinareo ho tsara gnoaratsiana. 17 Fa gny fanjakan-Jagnahary da tsy momba gn'sakafo da rano finomina zany, ka mombany gn'fahamarinana, da fiadagnana, ary faharavoravohana amigny fagnahy Masigna. 18 Fa zay manompo an'i Kristy arakan'izany da ankasitrahan-Jagnahary sy eken'ny gn'olo. 19 Nony izany, ôka isika hanohy gny raha ny gn'fiadagnana sy gn'raha izay mambôtra gn'tsirairay aby. 20 Aza vilavilaina amigny raha hoanina gn'asan-Jagnahay. Madio tokôtry gn'raha aby, fa da ratsy ho an'ny olo zay mihinagna anazy da mahavy anazy ho tafatoigna. 21 Tsara gn'mihinan-kena, na minogna divay, na gny raha aby zay mety hanafatoigna gn'rahalahinao. 22 Gny Finoana anagnanareo, da atsario aminao ao sy gn'i Jagnahary. Sambatra zay tsy magnameloka gn'tagnany amizay ekeny. 23 Zay misalasala da meloka laha mihinagna, satria tsy tamin'gny finohana zany. Ary ka na ino na ino da tsy amign'finoana da fahotana.