Toko faha 12

1 Non'izany da mangatak'aminareo iaho, ralahy, non'ny gn'haben'ny famindrampon'i Zagnahary, mba hagnomezanareo gnaignareo ho sorogna velogna, sady masina, mety amy gn'i Zagnahary. Izany gny fanompoanareo Amy gny tokon'ny hataonareo. 2 Ka mangalataky gny fomban'izao retr'izao, fa miovà amy gny fagnovana gny saignareo. Magnanôva an'izany mba ho lalanareo tsara zany, azo ekena, sady tena sitrapon'i Zagnahary. 3 Fa ambarako, fa non'ny fahasoavana ze nomena anay, gny tsy tokon'ny hanagnan'olo aby eritreritra hagnambony gny tegnany mihôtra an'izay tokony ho izy. Fa izao, tokony handinika am-pahendrena tsara indreo, manaky gny nagnomezan'i zagnahary habezan'gny finona tsirairay. 4 Fa maro rantsana misy eo amy gnaignantsiaka, kanefa tsisy mitovy aby gn'asan'izany. 5 Manaky an'izany koa isika, ze maro dia maro kanefa raika avao am'i Kristy, sady rantsana tokana mifameno Amy tsiraidraiky. 6 Samby nomena talenta itsika arakan'ny fahaizana ze tandrify antsika. Laha faminagniana gny talenta azon'gn'olo raika, da mba hataovy arakan'gn'hajakaben'gny finona 7 Laha fanompoagna gny talentan'olo raika, da aoka izy mba hahay hanompo. Laha nisy olo raika nomena talenta hampianatra da aoka izy hampianatra. 8 Laha fampaherezana gny talentan'olo raika, da aoka izy hampahery. La magnome raha gny talentan'olo raika, da aoka izy hagnano zany amim-pahalala-tagnana. la fitaritana gny talentan'olo raika, da aoka ataony am-pitandremana izany. Laha falemem-pagnahy gny talentan'olo raika da aoka izany ataony mpitiavana. 9 K'aza atao agnatin'ny fihatsaram-belatsihy gny fitiavana. Ka tia magna ratsy; tano mafy e tsara. 10 La gny mahakisika gny fitiavan'gny mpiralahy, mifankatiavanareo aby anareo aby. Laha mahakasika gny fagnomezam-boninahitra, da mifangnaja. 11 Laha mahakasika gny fikirizana, da k'aza misalasala. Laha mahakasika gny fagnahy, da aoka hafana gny fo. Mahakasika gny Tompo, da tompoy Izy. 12 Mifalia amy fahatokina ze halalanao ny momba gny ho avy. Mahareta amy gn'olagna rehetra. Mivavaha hatrany. Mifampizara amy gny raha ilain'gny mpino. 13 Mitadiava fomba maro mba handraisana vahiny. 14 Misôra gn'olo ze magnejikanao; misôra fa ka magnojogna. 15 Miaraha-mifaly amizay mifaly; miara-ory amy zay ory. 16 Miresa saigna amy gn'olo aby. Ka mirehareha amy fomba fisaignanareo, fa henoy aby ndre olo ambany. Ka magnano gny tegnao ho hendry. 17 Ka mamaly ratsy gny ratsy. Magnanôva raha tsara amason'olo. 18 Laha mety, da miezaha mafy, mba hanagnanao fihavanana amy gn'olo maro. 19 Ka mamaly ratsy zany anao, havako teko, fa ekeo gny favigniran'i Zagnahary. Fa efa voasoratra hoe: ''Anay gny famalina; iahao avao gny mahazo mamaly, hoy gny Tompo.'' 20 Laha masaregna gny favalonao, da omeo hanigna izy. Laha te hindrano da omeo rano hinominy. Laha vitanao zany, da handagnona barakafo an-tampon-dohany Izy.'' 21 Ka mety ho resin'gny ratsy, fa reseo amy tsara gny raha ratsy.