Toko faha 11

1 Ary nizaka iao, narian'Andriamanitra Kay ny olony? Sagnatria izany. 2 Fa iao koa da Isiraelita, taranak'i Abrahama, avy amigny fokon'i Benjamina. Zagnahary da tsy nagnary gny olony, ze efa fantany taloha. Tsy fantatrareo man ze vôzakany Soratra masigna mahakasika an' I Elia, da gny fitaraignany tami Zagnahary namely an'Israely hoe: 3 Tompo, Indreo da namono andreo mpaminagninao, nagnapotika gny alitaranao. Iao raiky sisa tafapetraka, ary misinisika ny aignako indreo. 4 Fa ino gny valin-teny nambarany Zagnahary ? "Nanonkana fito arivo lahy ho an'ny tegnako iao ze tsy nandongalika teo amin'ny Bala." 5 Da akôra an'izany aminy zao ankehitriny zao avao koa da misy sia avao koa nohon'ny fisafidianana amin'ny fahasoavana. 6 Fa raha avy amigny fahasoavana izany, da tsy avy amign'asa koa. Fa laha izany da tsy fahasoavana. (Fagnamarihana: Ny antontan-taratasy sasany taloha da mamaky hoe: "Kanefa laha tonga amindreo asa zany , da tsy fahasoavana koa; fa laha izany da tsy asa koa gny asa.") 7 ino ary? Gny raha ze notadiavin'Isiraely, da tsy azony, fa gny voafidy gny nahazo izany, ary nohamafisina gnambiny. 8 Izany da araka ny efa voasoratra hoe: "Zagnahary da nagnome andreo ny fanahin'ny fitavozavozana, maso mba tsy hahitandrso, ary gny tadigny mba hahenoandrdreo, Mandrak'ity androany." 9 Da hoy i Davida hoe: "Aoka gny latabatrany ho arato sy fandrika, ho vato mandavo sy valifaty ho andreo. 10 Aoka gny mason`indreo hohamezinina mba tsy hahita, ary aoka hiondrika mandrakizay gny lamosindreo. 11 Da hoy iao: "Moa va tafatohina reo mba ho lavo? "Sagnatria anie zany, Fa kosa avy amy gny fahalavoandreo, gno nahatongavan`ny famonjena teo amindreo Jentilisa,mba hampihalogna andreo. 12 Ary laha gny fahalavoandreo gno heverin`zao tontolo zao, ary laha fahaverezandreo gno haregn-dreo Jentilisa, da magnao ahôna gny habeazany fahantanterahan`indreo? 13 Ary amizao da mizaka aminareo Jentilisa iao, ary raha mbola apostolin`ireo jentilisa iao, da mankasitraka gny fagnompoko. 14 Angamba hampelogna indreo zay avy amin`ny nofoko manokana iao. Angamba hamonjy gny sasany amindreo isika. 15 Fa raha midika fampihavanana anzao tontolo zao gny tsy fanekena andreo, da ino gno handrasana andreo zany fa fiaignana avy amin`ny fahafatesana? 16 Raha votokagna gny vokatra,da gny ampanahy amin`ny kombam-bary koa. Raha votokagna gny fakany,da toy zany koa reo rantsany 17 Ka laha notapahina gny rantsana sasany, ka ra anao, sampagna oliva da gny nankambagna teo amindreo, ary raha nifampizara tamindreo gny vaitra-mamokatra gny hazo oliva anao. 18 aza mihebohebo amindreo sampana. Ka laha mihebohebo anao, da tsy anao gny mibata gny vaitrany,fa gny vaitrany mibata anao. 19 Da hizaka anao hoe: "Nitapaina hiala gny rantsagna mba havitako mifandray aminazy. 20 Marina zany.ka avy Amy gny tsy finoandreo da notapahiny hiala indreo,fa indreo da mizoro tsara avy finoandreo. Aza magnano gny tegnanareo ho ambony,fa matahora. 21 Ka laha gny tena sampana aza tsy gnapetraky Zagnahary da tsy ho apetrany ihany koa. 22 Ary, Jereo, gny fahamoram-po sy gny fahasaro-pon-Jagnahary. Eo vaokoa, gny fahasaro-po da tonga amindreo Jiosy ze lavo. Fa eo ankilany avao koa, gny hatsaram-pagnahin'Jagnahary da tonga amindreo, laha maharitra ao Amignatsaram-pagnahiny anareo. Fa Laha tsy zany da ho tapahina koa anareo. 23 Ary na indreo aza, Laha tsy mahafoy amigny tsy finoany indreo, da hatambatra. Fa Zagnahary da afaka mamerigna manambatra andreo koa. 24 Fa Laha notapahina tamigny kakazo oliva da anareo, ka natambatra tamigny kakazo oliva tsara, da akôgnaia gny fagnoaran'ny maron'irdo Jiosy, izay sampagna vojagnahary, natambatra tamigny kakazo olivandreo raika avao. 25 Fa tsy teko tsy halala anareo, Rahalahy, gny amin'izany raha-miafigna izany, mba tsy haha-hendry anareo amigny eritreritrareo manokana. Izany raha-miafigna izany da efa nahamafy loha gny sasany amin'Isiraely, mandra-pahatongavan'ny fahafenoan'ireo Jentilisa. 26 Nohon'izany da ho vonjena avaokoa gny Isiraely aby daholo, araka ny voasoratra hoe: "Hibôka avy any Ziona ny mpagnafaka. 27 Hanala gny haratsiam-pagnahy amin'i Jakoba izy, ary izany no ho fagnekem-pihavagnako amindreo, Laha hafaka gny fahotandreo iao." 28 Amigny lafiny iraiky mahakasika gny Filazantsara, da fahavelomandreo nohon'ny aminareo. Amigny lafiny raiky hafa arakany safidin-Jagnahary, da mahafantatra indreo akôtr'izay gny razagna. 29 Fa ireo fagnomezana sy antson-Jagnahary da tsy miova. 30 Fa anareo da tsy nagnaza any Zagnahary taloa, kanefa amizao ianareo da nandray ny famindram-po avy aminy fagnazandreo. 31 Mitovy am'izany avao koa, amizao Ireo Jiosy da tsy nagnaza. Ny vokatrany da tamin'ny alalan'ny famindram-po izay nabôka anareo ny mety handraisandreo ny famindram-po avao koz amizao. 32 Fa Zagnahary efa nagnidy ny tsy fagnazana aby daholo, mba avitahany magnabôka famindram-po amignaby daholo. 33 Ô rô, gnalalignireo haregnany fahendrena sy fahalalan-Jagnahary! Tsy takatry gny saign'ireo fitsarany, ary gny lalagnany da tsy hay refesina! 34 "Fa iza gny nafantatra gny fiheverany Tompo na iza gny tonga mpanolon-tsaigna anzy. 35 Ndre iza gnagnome raha an-Jagnahary aloha, ka tsy maintsy hagnoneran-Jagnahary anazy koa?" 36 Fa avy aminazy sy amign'alalany ary ho anazy gny raha maro. Ho anazy fehizay gny voninahitra. Amena.