Toko 1

1 Paoly, mpagnaradia an'i Jesôsy Kristy, da vôantso ho apostoly, ary vôtokana ho mpitory ny filazantsaran'i Zagnahary. 2 Io gny filazantsara efa nampagnategnainy taloha tamin'ny alalan'indreo mpaminagny tao amin'ny soratra masina. 3 Izany da gny momban'ny Zanany lahy, teraka avy tamn'ny taranak'i Davida araka gny nofo. 4 Tamy gny fitsaganany tamy gny maty , da nambara ho zanakin'ny maherin'i Zagnahary amin'ny alalan'ny fagnahy masina Izy_da Jesôsy kristy ragnandria. 5 Avy tamin' Azy gny nandresatsika fasoavana sy maha apostoly Amy gny fagneke-pinoana amy gny firenen-drehetra, avy tamy gn'agnarany. 6 Amy gn'io firenena io koa, anareo avao koa da vôantso ho an'i Jesosy Kristy. 7 Ity taratasy ity da ho any gn'olo rehetra ao Roma, zay mafantatra an'i Zagnahary, zay nantsovana ho olo-masiana. Ho amindreo abidaholo anie gny fahasoavana, sy fiadanana avy amin'i Zagnahary iabatsika sy Jesôsy Kristy Ragnandria. 8 Da isôrako gny Zagnahariko, amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy nony gn'aminareo abidaholo, sady gny finoanareo da efa nambara magnera tany. 9 F'i Zagnahary gny magnaporofo, zay tompoiko amy fagnahiko amin'alalan'ny filazantsaran'gny zanany, sady Iaho koa mako da tsy megnina mikoragna anareo Aminazy. 10 Mivavaka fezay iaho mba haombezako amy fomba rehetra sady amy gn'alalan'gny sitrapon'i Zagnahary ho avy aminareo. 11 Fa Iaho da magniry gn'ahitanareo, mba hahezako magnome fanomezam-panahy vitsivitsy ho anareo, mba hampanjakanareo. 12 Izany, da magniry Iaho gny mba hifankaherezantsika samby amintsika, avy amin'ny finoan'gny tsiraidraika, gn'anareo sy gnanay. 13 Da tsy teko anareo tsy alala, ralahy, in-maro iaho gny manam-pagnirina hagnatogna anareo, (kanefa iaho da misy raha misakana avao fezay), mba hazaoko vokatra avy aminareo, akora gn'efa nazaoko tamin'ny Jentilisa avao koa. 14 Iaho da mpitrosa amy Grika sy vahiny, amy gn'olo kanty sy gn'olo mola. 15 Avy amizany, da vognona avao koa iaho hagnambara ny filazantsara ho andreo agny Roma. 16 Fa iaho da tsy megnatra amy filazantsara, Izany mako gn'herin'i Zagnahary ho famonjena gn'olo mino, ho an'ny Jiosy eka saky gny volohany da avy teo ho an'ny Grika. 17 Avy tamy gn'izany gn'agnaboana ny fahamarinan'i Zagnahary latamin'ny finona da megn'amin'ny finona, Zay vosoratra hoe: ''Gny marina da velogna amy finona.'' 18 Fa gny fahavigniran'i Zagnahary da nabokiny latagny an-dagnitra manakana ny haratsim-pagnahy sy gny tsy fahamarinan'olo, zay mibagna gny fahamarinana amy gn'alalan'ny ratsy. 19 Satria mako gny raha lalandreo momban'i Zagnahary da hitandreo maso. Ka nazavaina'Andriamanitra zany. 20 Fa gn'endrikany maro be zay tsy hita maso, gn'heriny tsisy farany sy maha Zagnahary Anazy, da hita tsara, nanomboka tamin'gny famorognana izao tontolo izao, tamy gny raha noforognona. Ka non'izany da tsy managna felatsigny indreo. 21 Satria zany, ndre nahalala ny momban'i Zagnahary aza indreo, da tsy nagnaja maha Zagnahary Anazy, ma mba nisaotra Anazy. Fa lasa mola indreo, ary vo maika ne-mezigna ny fo dontondreo. 22 Nidera tegna ho hendry indreo, kanefa lasa vo maika ne-mola. 23 Gny voninahitr'i Zagnahay zakabe da novandreo sarisarin'olombelona mety ho simba, vorogna, biby mana-tongotra efatra, sy gny raha mihetsika. 24 Avy tamy gn'izany da navelan'i Zagnahary amy fagnirina ratsy gny fondreo indreo, Mba haafabaraka andreo amy sitrapondreo agny avao. 25 Natakalondreo raha vandy gny fahamarinan'i Zagnahary, gn'olo zay mivavaka amin'gny zava-boary fa tsy gny mpahary, zay deraina mandrakizay. Amena. 26 Avy amy zany, da navelan'i Zagnahary amy fomba ratsy indreo zay tena ratsy indreo, fa gny viavin-dreo da nanakalo gny fifandresana vojagnahary amy tsy vojagnahary. 27 Akôran'izany koa, gny lelahy nagnary gny fifandresandreo vo jagnahary miaraka amy viavy ka navelany amy sitrapony ratsy izy samby izy. Indreo da lelahy nagnano fomba nangalabaraka miray amina lehilahy ka niatra amindreo ny sazy magnevan-dreo non'ny gnaratsiany. 28 Satria tsy nagneky an'i Zagnahary tamin'gny feritreretan'indreo, da nomeny saigna ratsy indreo, mba hagnamboaran-dreo raha ratsy. 29 Indreo da tena feno haratsia saigna, faratsina, fitsiriritana, ary gny lolompo abidaholo. Indreo da tia mialogna, mamono, mifamaly, mahamitaka, ary eritreri-dratsy. 30 Indreo da mpifosa, mpagnedrikedrika, ary malaignan'i Zagnahary. Indreo da mahery fietsika, miavogna, ary mieboebo. Indreo da mpamorogna raha ratsy, indreo da tsy mpino resaka ray aman-dreny. 31 Indreo da bado; indreo da ts'atokisana, tsisy fitiavana, ary tsy mamindra fo. 32 Fantan-dreo gny lalàgnan'i Zagnahary, fa gn'olo tia magnano raha akôran'izany da magneva maty. Fa tsy zany raha zany avao gn'ataony, fa magneky gn'olo magnano an'izany koa izy.