Tôkô 1

1 Itö no niatombôhan'ny koragnan'i Jesosy kristy, ilay zanak'Andriamanitra. 2 Araky zègny voasõratra ako amin' Isaia mpaminagny hoe: "Itô zahô magnasa ny asaiky hialôha anô, ny araiky agnambôatra ny lalagnanô. 3 Misy feo regny magnantso mafy agny agn' efitry hoe: "Atôvo vôgnono ny lalagnan' ny Tompo; Atõvo mahitsy ny lalan- oboany" . 4 Tônga Jaona, nagnano batisa tagny agn- efitry ary nitoro ny batisan' ny fibèbahagna ho amin' ny famotsõragn- keloko nohon' ny fahotagna. 5 Ny tanagnan' ny Jodia jiaby sy ny mponogno jiaby tõ Jerosalema dia tõnga nagnatogno ananjy. Natony batisa tõ amin'ny siragnan'i Jordana zare, izy kofa niheky ny fahotagna. 6 Jaona dia nagnato lamba volon- drameva ary nagnano sentiry hôditra take amin' ny andilagna, ary kijaija sy tintely remby no hanignany. 7 Nagnambara izy hoe: "Misy araiky ho avy magnaraka zaho izegny mahery mihôatra zaho, ary tsy magneva zaho na dia ny hamaha tadin- kapany aza. 8 Zaho nagnano batisa anare tamin' ny rano, fa izy koza agnano batisa anare amin'ny Fagnahy Masigna." 9 Tamin' ny fotoägna nandalovan' i Jesosy avy agny Nazareta to Galilia no nipoitrty zegny, Ary natôn' i Jaona batisa to amin' ny siragnan' i Jordana izy. 10 Izy koa nibôaka ny rano Jesosy, dia hitany nisokatra ny lagnitra ary nidigna takeo aminanjny karaha ny voromailala ny Fagnahy. 11 Ary nisy feo avy agny an-dagnitra nagnano hoe: "Ano no zanako malalako. Ano no sitrako." 12 Avak eo dia nitaritin'ny Fagnahy ho agny agn' efitry Jesosy. 13 Efapolô andro Izy no tagny agn' efitrty, naalain' ny satana Fagnahy. Nitôetry niaraka tamin'ny bibidia Izy, ary nanômpo ananjy zare anjely. 14 Ary kofa voasambotro Jaona, dia tônga tô Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran' Andriamanitra, 15 ary nivôlagna hoe: "Efa tônga ny ftoagna, ary efa mariny ny fanjakan' Andriamanitra. Mibaibaha dia minõa ny filazantsara." 16 Izy koa nandaiha tagny amôrondranomasignin' i Galilia Izy, dia nahita an' i Simona sy Andrea ralahin' i Simona nagnarato, satria mpagnarato zare. 17 Hozy Jesosy tamin' jare hoe: "Avia, magnaraha zaho, fô atôko mpagnarato olo anareo." 18 Takekeo dia nambailany ny harato zare koa nagnaraka ananjy. 19 Izy koa nandaiha lavidavitry Jesosy, dia nahita an'i Jakoba zanak' i Zebedio sy sy Jaona ralahiny; zegny tan-dakana nagnamboatra ny arato. 20 Nagnatso anjare Izy kè dia nilôzany tako avy an-dakanahely avy atragny Zebedio babany niaraka tamin' jare mpikarama, kè nagnaraka anajré. 21 Avake dia tônga takô Kapernaomy zare, ary taminn' ny andro Sabata, dia nitsofotrô tô amin' ny synagoga Jesosy ary nampianatra. 22 Talanjogno tamin' ny fampianaragnany zaré, satria nampianatra nanjy ré karaha ologno managna fahaifagna Izy fô tsy karaha zaré mpanôra-dalagna. 23 Avtaké nisy lalahy araiky tako amin' ny Synagogan' jaré izegny nanagna fagnahy maloto nigahiky mafy, 24 nagnano hoe: "Ino no ifankazahôany amino, ry Jesosy avy agny Nazareta? Tonga hamôtiky anaÿ mô anõ? Haiky fõ izövy anã. Anã Masign' Andriamanitra!" 25 Nikoragna mafy ny demonia Jesosy kë nagnano hoe: " Mangigna kë miböha aminanjy! 26 Ary ilaÿ Fagnahy malõto nandavo ananjy sy nivõaka taminanjy keï nagnatso tamin' ny feõ mahery. 27 Variagna ny ologno jiaby, keï nifagnontany zare hoe: "Ino tô? Fampianragna vovo misy fahaïfagna? Baikony na dia iré Fagnahy malôto mbõ magneky ananjy koa zaré!" 28 Ny vovo momba ananjy dia naparaïtaka takagny jiabijiaby takagny tako amin' ny farit' i Galilia jiabijiaby 29 Izy koa avy nivoaka ny Sinagoga, dia tôgnga tako andragnon'i Simona ndraïky Andrea zaré, niaraka tamin'i Jaokoba ndraïky Jaona. 30 Ary ny rafõzam-bavin' i Simona natôry azontazogno, kaï nivolagnin'jaré tamin'i Jesosy mõmba ananjy. 31 Kaï nagnatogna Izy, ké nangalaka ananjy tamin' ny tagnany, ary nagnarigna ananjy; dia afaka ny tazognany, ary nanomboka nanõmpo Ananjy zaré. 32 Tamin' io ariva io, tafaran' ny nilintehan' ny masõva, dia nivôlagna zaré take aminanjy narary jiabijiaby na misy démonia. 33 Taftrötro niaraka také an-tamiagna ny takô antanagna jiaby. 34 Nagnasitragna ologno maro zegny nararin' ny aretigny samihafa Izy ary nandrôaka demonia maro, fö tsy nambaïlany hikoragna iré demonia satriâ nahaï Ananjy zaré. 35 Niföha mandraigny be Izy, izy koa mbôla mahizigny ny andro; niala také Izy ke nandeïha tagny amin' ny toeragna mitôkagna ary také Izy no nivavaka. 36 Nizaha Ananjy Simona ndraïky zaré niaraka taminanjy. 37 Nahita ananjy zaré ary nivõlagna taminanjy hoe: " Mizaha ano ologno jiaby." 38 Ahoziny hoe: "Andaïha antsika agny amin' ny toeragna-hafa, akagny ivaïlany ako amin'iré tanagna magnodidigny, mbo afahako mitory teny agny koa. Fô zegny antony miboahako tatô." 39 Dia nivolagna an' i Galilia jiabijiaby Izy, nitôry teny takô amiin'ny Sinagogan'jaré sady nandroaka demonia maro. 40 Nisy boka araïky tõnga také Aminanjy. Nitaregny taminanjy izy; nandongalitry take Aminanjy ary nivolagna taminanjy hoe: "Izy koa hikehinô, dia afaka magnadio zaho Ano." 41 Mahinakinaka ananjy, dia nagnampatra ny tagnany Jesosy ary nikasiky ananjy, nagnano taminanjy hoe: "Sitrakö. Magnanovamady ano." 42 Afaka taminanjy takekeo ny habokagna ary nady izy. 43 Nmpitandrigna mafy ananjy Jesosy ary nagnadaïfa ananjy. 44 Ahozy taminanjy hoe: "Tandremo tsy hivolagna na ino na ino amin'jôvy na amin'jôvy anö, fö madihana, avoaho amin'anjy mpisorogna ny tegnanö, ary magnanova fagnatitry nöhon'ny fagnadiovagna anö araka ny nandidian'i Mosesy, mbo ho fijoroagna vavolombelogno ho anjaré 45 Kö nivoaka izy ary nanöboko nivölagna tamin'ologno jiabijiaby sy nampariaka löatra ny koragna ke dia tsy afaka nandröso an-kalalahagna tagny amin' ny tanagna jiabijiaby köza Jesosy. Ke nitoetry tagny ivaïlany tagny amin'ny toeragna mitökagna Izy ary nagnatogna Ananjy ny ologno avy amin'ny toeragna jiaby.