Toko faha 2

1 Soraty ho an’ny anjelin’ny fengonana ao Efesosy hoe : "Itôgny ny zaka avy amin’ny raika zegny mitàna ny kintana fito amin’ny tanan-kavananany sady mandeha amin’ny fagnamboarana jiro volamena fito, 2 "Fantako zegny efa vitanao mban’ny asa mafy namboarinao sady ny feretanao maharitra. Fantako fa tsy afaka handefitra amin’ny olona ratsy anao. Fantako fa nitsapainao zegny mizaka an’iary zareo ho apostoly, nefa tsy izy, de hitanao iary zareo fa sandoka. 3 Fantako fa managna faharetana anao, sady nijaly mafy tegnany tratrin’ny agnarako, sady tsy nagneky resy. 4 Nefa manohitra anao aho azon’ny navelanao ny fitiavanao voalohany. 5 Tadidio amn’nizany arika ny pilasy nahalavo anao. Mivaloza de magnamboara ny raha zegny namboarinao voalohany. Fa ndreka tsy mivalo anao, de ho avy aminao aho sady hangala ny fangamboarana jironao amin’ny fipetrahany. 6 Kanefa izao ny atanao : "Halanao ny raha vitan’ny Nikolaita, sady efa halako my koa. 7 Zegny managna tadigny mba mitenoa zegny raha zakain’ny Fagnahy ho an’ny fengonana. Ho an’ny raika mandresy de homeko alalagna hihinagnazegny avy amin’ny hazon’ny fiaignana, zegny amin’ny paradisan’Andriamanitra."" 8 Soraty ho an’ny anjelin’ny fengonana any Smyrna hoe : "Itôgny ny zakan’ny raika voalohany sady farany, ny raika efa maty velogna ndreka : 9 "Fantako ny fahorenao mban’ny fasahirananao, nefa manan-draha anao. Fantako fa mizaka ratsy zegny mizaka ny tegnany fa Jiosy, nefa tsy izy aby. Synagogan’ny satana iary zareo. 10 Aza matahotra amin’ny zegny efa heretanao. Igny a ! Ny devoly de hanipy an’ny sanagny aminareo amin’ny tranomizigna mba hitsapana anareo, sady hijaly agnatin’ny folo andro anareo. Matokisa mandra-pahafaty, ka omeko anareo ny satro-boninahitran’ny fiaignana. 11 Zegny managna tadigny mba miteno zegny raha zakain’ny Fagnahy ho an’ny fengonana. Ny raika mandresy de tsy ho simban’ny fahafatesana faharoy."" 12 Soraty ho an’ny anjelin’ny fengonana any Pergamosy hoe : "Itôgny ny zakan’ny raika zegny managna sabatra roa lela : 13 "Fantako zegny hipetrahanao, de amin’ny zegny hipetrahan’ny seza fiandrianan’ny satana. Sady amin’izao de mitagna mafy ny agnarako anao. Fantako fa tsy nandà finônanao ny aminaha anao. Ndre tamin’ny andron’ny Antipasy vavolombelognako aza, sady nahatoky Anaha, zay nivonina taminareo, tamin’ny misy ny satana. 14 Fa managna raha zakaina bitaka aminao Aho : « Misy sanagny aminareo mitana mafy ny fampenaran’ny Balama, zay nampianatra an’i Balaka hametraka fandrangitana amason’ny zanak’Israely, mba hihinan’iary zareo ny hanina natao sorona ho an’ny sampy sady ho fijanganjangana. 15 Karan’izany my, misy sanagny aminareo egny mitagna mafy ny fampenaran’ny Nikolaita. 16 Mivaloza, raha izany ! Fa na tsy izany, de ho avy malaky aminareo agny Aho, sady hifaninagna amin’iary zareo aho miaraka amin’ny sabatran’ny vavako. 17 Zegny managna tadigny tokony mba hiteno zegny zakain'ny Fagnahy ho an'ny fengonana. Ho an'ny zegny mandresy, homeko ny sanagny amin'ny magnavony, sady homeko vato fotsy miaraka amin'ny agnaram-baovao voasoratra amin'ny vato, agnarana ts fantan'olona afa-tsy zegny mandray an'azy my."" 18 Soraty ho an’ny anjein’ny fengonana ao Tyatira hoe : ‘Itôgny ny zakan’ny zanak’Andriamanitra, zegny managna maso kara lelan’afomban’ny tongotra kara varahigna mangiragna : 19 "Fantako zegny vitanao : Ny fitiavanao mban’ny finônanao sady ny faretanao. Fantako fa zegny vitanao farany de betsaka raha mitaha amin’ny vitanao voalohany. 20 Kanefa zao no hanoherako anao : Leferinao ny viavy Zezebela, zay magnantso ny tegnany fa mpaminany viavy. Avy amn’ny fampenaranany de mamitaka ny mpanompoko izy mba hijangajanga sady hihinagna hanina atao sorona ho an’ny sampy. 21 Nagnome fotôna mba hivalozana Aho, kanefa tsy mety hibebaka ny amin’ny fijangajangany izy. 22 Igny a ! Hatako marary ambony fandrena eo izy, sady zegny mijanganjanga miaraka amin’azy de hampahoreko mafy, na tsy mivalo amin’ny asa ratsin’ny viavy igny iary zareo. 23 hivoniko ho faty ny zanagny, de ny fengonana maro aby de hahalala fa Izaho mahita ny fieritreretana mban’ny fihetsem-po. Homeko magnaraka ny asanareo tsitokatokagna aby anareo. 24 Fa ny aminareo zay tavela ao Tyatira, ny maro tsy mitagna ny fampenarana izao, sady tsy mahalala zegny agnantsovan’ny sanagny oe sain-dalin’i satana_ Izao ny raha zakaiko aminareo hoe : « Tsy vesarako entagna hafa anareo. » 25 Ndre izany aza, tsy mentsy mitàna mafy ny finônareo anareo mandra-peveko. 26 Ny raika zegny mandresy mban’ny zegny magnano zegny efa vitako , farany de homeko an’azy ny fahefana amin’ny firenena rehetra.' 27 Hanapaka amin’iary zareo miaraka amin’ny tangala vy izy, kara ny fagnatorotoana vilagna tagny no hagnapotehany an’iary zareo.' 28 Kara ny nandraisako avy amin’ny i Abako, no hagnomezako an’azy kintagna mandraigna my koa. 29 Zegny managna tadigny mba hiteno an’ny zegny zakain’ny Fagnahy ho an’ireo fengonana.""