Filipiana Toko Faha 2

1 Ndreka misy fampaherezana amin'i Kristy, ndreka misy fampiononana avy amin'ny fitiavany, ndreka misy firaisana amin'ny Fagnahy, ndreka misy famindrampo be mban'ny fiantrana, 2 de fenoy fifalena amin'ny fisaignana karan'izany, amin'ny fanagnana fitiavana mitovy, amin'ny firaisana am-pagnahy, sady amin'ny fanagnana tanjogna mitovy. 3 Aza magnano ndre ino ndre ino amin'ny fitiavan-tegna na fagnambonian-tegna fezay. Fa amin'ny fanentren-tegna koza de mitsinjova ny sanagny ambonin'ny tegnanareo. 4 Fa tsy tokony hiaragna zegny mahasoa ny tegnany fotsiny anareo tsitokantokana, fa mba ny mahasoa ny sanagny my koa. 5 Magnamboara kara ny fisaignana tamin'i Kristy Jesôsy my koa. 6 Fa efa nisy karan'ny endrik'Andriamanitra Izy, fa tsy nieritreritra ny fitovizany amin'Andriamanitra zany ho raha hfikirana Izy. 7 Ny mifanohitra amin'izany, nofoagnany tegnany. Nangala ny endrikan'ny mpanompo Izy. sady hita mitovy tamin'olombelona Izy. 8 Nanetry tegna Izy sady nanjary mpakanto hatramin'ny fahafatesana, de ny fahafatesan'ny hazofajalena! 9 Noho izany de nasandran'Andriamanitra ambony de ambony my koa Izy. Nomeny agnarana ambonin'ny agnarana marobe Izy. 10 Namboarin'izany mba ho amin'ny agnaran'i Jesôsy no handohalihaka marobe, ny lohalikanareo zegny an-danitra mban'ny ety an-tany de ny ambanin'ny tany. 11 Namboarin'io mba hagneken'ny lela marobe fa i Jesôsy Kristy de Tompo, mba ho voninahitr'Andriamanitra Iaba. 12 Noho izany, ry malalako, kara ny agnekenareo fezay, tamin'ny fagnatrehako fotsiny, fa ambony lavitra aza amin'izao ndreka tsy eo aho, de asehoy amin'ny tahotra sy horohoro famonjena anareo. 13 Satria Andriamanitra de miasa aminareo mba ho vonon-kagnano sady hiasa ho an'ny fifaleny anareo. 14 De amboary tsy am-pimognomognonana na amin'ny fiadian-kevitra ny raha marobe. 15 Magnamboara karan'izany mba hanjary ho zanak'Andriamanitra tsisy sady marina, tsisy takaitra anareo. Miàsa karan'izany hampamirapiratra anareo karan'ny fahazavana amin'izao tontolo izao, am-pivonan'ny taranaka meloka sady maditra. 16 Mifikira mafy amin'ny Zakan'ny fiaignana mba hanagnako antony hireharehako amin'ny andron'i Kristy. Fa amin'izany de hofantako fa tsy ho very maigna ny nihazakazahako sady tsy ho very maigna koa ny niasako. 17 Fa ndre de atao rakitra amin'ny sorogna mban'ny fanompoam-pinoana aza aho, de mifaly my, sady miara-mifaly aminareo marobe aho. 18 Sady karan'izany my koa hifalenareo, sady miaraka faly aminaha anareo. 19 Fa magnantegna amin'i Tompo Jesôsy aho fa hagnandefa an'i Timoty malaky agny aminareo, mba hahery my ko aho ndreka fantako ny raha mikasika anareo. 20 Fa ts managna olona hafa mitovy toe-tsaigna amin'azy aho, zay tena magnahy anareo. 21 Fa izy marobe de miaragna ny tombotsoany, fa tsy rahan'i Jesôsy Kristy. 22 Fa fantanareo ny fahatsarany, satria karan'ny zaza manompo an'i abany, ny nanompoany niaraka taminaha tamin'ny filzantsara. 23 Ka magnantegna ny hagnandefa an'azy aho na vô hitako hoe magnano akory ny fandehan-draha aminaha aty. 24 Fa matoky ny Tompo aho fa tonga agny malaky koa ny tegnako. 25 fa izaho mieritreritra hoe ilaina my koa ny mampierigna an'i Epafrodito aminareo. Ralahiko izy sady mpiara-miasa de mpiara-miady, sady mpitondra ny hafatranareo izy agnisan'ny mpiasa ilaiko koa. 26 Fa voan'ny fijalena mafy izy, sady te hiaraka aminareo marobe izy, satria regninareo fa narary izy. 27 Sady tena narary tegnany izy ka seky maty. Namindra fo tamin'ny Andriamanitra, sady tsy tamin'azy raika fotsiny, fa taminaha koa, mba tsy hanagnako alahelo tafahôtra. 28 Ka de amina fasahena maro be ny hagnadefasako an'azy, ka ndreka hahita an'azy ndreka anareo de mba hifaly ka ndre zaho de ho afaka amin'ny fagnahiako. 29 Reso amin'ny Tompo Epafrodito mban'ny fifalena marobe. Hajay ny olona karan'azy. 30 Fa ho an'ny asan'ny Kristy no nagnekekezany n fahafatesana. Fa nagnano vy very ny aignany izy hanompoana anaha mba hagnatanterahany zegny tsy afaka nataonareo tamin'ny fanompoana taminaha.