Toko 1

1 Pôly, vôgadra an'i Jesôsy Kristy, amban'ny ralahy Timoty ho an'i Filemôna, akama malalanay de mpiara-miasa aminay, 2 de ho an'i Apia anakavinay, sady Arkipo miaramila akamanay, de ho an'ny fiangonana zay mivory adragnonao. 3 Ho aminareo anie ny fahasoavana amban'ny fiadanana avy amin'Andriamanitra de Jesôsy Kristy Tompo. 4 Misôtra ny Andriamanitro fehizay aho. 5 Manognona anao zaho amin'ny fivavahako. Efa naregny ny amin'ny fitiavana amban'ny finoana zay ao amin'i Jesôsy Kristy Tompo sady hoan'ireo mpino marobe zaho. 6 Mivavaka zaho mba hatonga ny fikanbanana amin'ny finôna ho vagnona amin'ny fahalalana ny raha tsara marobe zay eo amintsena amin'i Kristy. 7 Fa nanagna fifalena de finoana lebe zaho nohon'ny fitiavanao, satria ny fon'ireo mpino de novelombelomina tamin'ny alalanao, a ralay. 8 Noho zany, na de managna fasahena marobe amin'i Kristy aza zaho handidy anao mba hagnano zay tokony hatônao, 9 nefa nohon'ny fitiavana, de magnatso anao koja aho, zaho Pôly, lilay antitra, ka amin'izao de gadra ho an'i Jesôsy Kristy. 10 Mangataka anao zaho ny amin'ny zanako Onesimosy, zay naterako tamin'ny fatotra anaha. 11 Fa izy de tsy nahatsra anao taloha, fa amin'izao izy de mahatsara anao de zaho. 12 Nalefako nierigna ho agny aminao izy, izy ny teko be. 13 Magniry ny hitana anazy hiaraka aminaha zaho, mba hahafahany manompo anaha ho anao, ndreka mbola vôfatotra nohon'ny filazatsara zaho. 14 Nefa tsy te hagnano na ino na ino raha tsisy ny fanekenao zaho. Tsy teko ho an-katerena ny asa tsara ataonao fa an-tsitrapo. 15 Noho zany angamba no nisarahany taminao nandritra ny fotôna foika, mba hanagnanao azy mandrakizay. 16 Tsy ho andevo koa izy, fa tsara lavitra noho ny andevo, de ralay malala. Izy no malala indrindra aminaha, de mihôtra lavitra ho anao na amin'ny nofo na amin'ny Tompo 17 Ka raha managna anaha ho mpiara-miasa anao, de reso kara anaha izy. 18 Ndreka magnano ny tsy mety izy na misambotra na ino na ino aminao, de atofay ho anaha zany. 19 Zaho, Pôly, manoratra zao amin'ny tagnako: Zaho, no hagnefa aminao. Tsy mikorana aminao hoe misambora ny tegnanao aminaha anao. 20 Aika a ralay atofay mahazo tombony amin'ny Tompo zaho; Ameo filignesana ny foko amin'ny Kristy. 21 Ny toky momba ny fagnarahanao, no soratako ho anao. Fa tatro fa hagnano mihôtra noho zay angatahiko anao. 22 Madritra ny fotôgna zany my, Vognono ho anaha ny efitra fandraisam-bahiny, ka magnatena zaho fa amin'ny alalan'ny vavako de haerigna aminao ndreka zaho. 23 Epafra, akamako mpiara-migadra ao amin'i Jesôsy Kristy, magnano veloma anao. 24 Kara an'zany koa i Marka, Aristarko, Demasy de Lioka, mpiara-miasa amiko. 25 Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesôsy Kristy Tompontsena. Amena.