Toko 1

1 Ny bokin'ny razagnan'i Jesôsy Kristy zanak'i Davida zanak'i Abrahama. 2 Abrahama iaban'Isaka, de Isaka iaban'i Jakoba, de Jakoba iaban'i Joda mban'ny rahalahiny. 3 Joda iaban'i Fareza izy amin'i Zara avy tamin'i Tamara, de Fareza iaban'i Hezrona, de Hezrona iaban'i Rama. 4 De Rama iaban'i Aminadaba, de Aminadaba iaban'i Nasona, de Nasona iaban'i Salmona. Salmona iaban'i Boaza tamin'i 5 Rahaba, Boaza iaban'i Obeda tamin'i Rota, Obeda iaban'i Jese. 6 De Jese iaban'i Davida mpanjaka, de Davida iaban'i Solomona tamin'ny vadin'i Oria. 7 Solomona iaban'i Rehoboama, Rehoboama iaban'i Abia, de Abia iaban'i Asa. 8 Asa iaban'i Josafata, de Josafata iaban'i Jorama, de Jorama iaban'i Ozia. 9 Ozia iaban'i Jotama, Jotama iaban'i Ahaza, Ahaza iaban'i Hezekia. 10 Hezekia iaban'i Manase, Manase iaban'i Amona, de Amona iaban'i Josia. 11 Josia iaban'i Jekonia mban'ny rahalahiny tamin'ny fotônan'ny fandroahana ho agny Babylona 12 Ndreka tafaran'ny fandroahana ho agny Babylona, de niteraka an'i Sealtiela i Jekonia, de Sealtiela iaban'i Zerobabela. 13 Zerobabela iaban'i Abihoda, Abihoda iaban'i Eliakima, de Eliakima iaban'i Azora. 14 Azora iaban'i Zadoka, Zadoka iaban'i Akima, de Akima iaban'i Elihoda. 15 Elihoda iaban'i Eliazara, Eliazara iaban'i Matana, de Matana iaban'i Jakoba. 16 Jakoba iaban'i Josefa vadin'i Maria, niteraka an'i Jesôsy, angizana hoe Kristy. 17 De ny taranaka maro be manomboka amin'i Abrahama ka hatramin'i Davida de taranaka efatra ambin'ny folo, de manomboka amin'i Davida ka hatramin'ny fandroahana tagny Babylona de taranaka efatra ambin'ny folo, de manomboka amin'ny fandroahana tagny Babylona ka hatramin'i Kristy de taranaka efatra ambin'ny folo. 18 De karan'izao ny fahaterahan'i Jesôsy Kristy : Ndreka natokana hanambady an'i Josefa i Maria endrin'i Jesôsy de hita fa bevohoka avy tamin'ny Fanahy Masina izy talohan'ny niarahan'iary zareo. 19 Fa Josefa vadiny, de lilahy marina, sady tsy te hangalabaraka an'azy ampahibemaso. De nanapa-kevitra gny seky hanapaka an-tsokosoko ny fifanekena nataony taminazy izy. 20 Ndreka mbola nieritreritra mikasika an'ny raha igny izy, de nisy anjelin'ny Tompo nivôka tamin'azy tami'ny nofy, nagnano hoe : "Josefa, zanak'i Davida, aza matahotra hangalaka an'i Maria ho vadinao, fa ny Zaza niforonina agnaty kibony de avy tamin'ny Fanahy Masina nampipetraka an'azy. 21 Hiteraka zaza lilahy izy, de hataonao hoe Jesôsy ny agnarany, fa Izy de hagnavotra ny olon'Azy hiala amin'ny fahotan'iary zareo. 22 Io raha maro be io de nitranga aby mba hahatanteraka gny raha nizakain'ny Tompo tamin'ny mpaminany, magnano hoe : 23 "Igny an, hobevohoka ny virijiny ka hiteraka zaza lilahy, de hataon'iary zareo hoe Imanoela ny agnarany" -raha adika de hoe :"Amintsena Andriamanitra." 24 Ndreka taitra tamin'ny torimasony Josefa de nagnatanteraka an'ny raha zegny nandidian'ny anjelin'ny Tompo an'azy ka nangalaka an'azy ho vadiny. 25 Kanefa tsy niaraka taminazy izy mandra-pahaterakany zaza lilahy. De nataony hoe Jesôsy ny agnarany.