Toko 1

1 Joda mpiasan'i Jesôsy Kristy, ralahin'i Jakoba, ho an'ny zegny angizana hoe, malala amin'Andriamanitra Iaba, sady vôtahiry ho an'i Jesôsy Kristy 2 : Enga anie de hampitomboina aminareo ny famindram-po mban'ny fiadanana sy ny fitiavana. 3 Ry malala, ndreka niezaka hanoratra aminareo mikasika ny famonjena hiresantsena igny aho, de nanoratra ho anareo mba hatonga anareo hiady mafy ho an'ny finoana zay efa nomena indraika fotsiny ho an'ny mpino. 4 Fa ny olona sasagny niditra antsokosoko taminareo. Io de olona efa vômarika ho amin'ny fagnamelohana. Azareo de olona ratsy fagnahy mitondra ny fahasoavan'Andriamanitra ho amin'ny afokana, ka de mandà ny Mpanjaka sady Tompo tokana antsena, de Jesôsy Kristy. 5 Amin'izao de teko hampatsiarovina anareo_ndre de efa fantatrareo tsara izany_ fa ny Tompo de nagnavotra ny olona avy tagny Egypta, fa tafaran'io de nivoniny aby ndregny tsy nino. 6 De zegny anjely tsy nitana ny fahefana napetraka taminazy, fa nenga tamin'ny fipetrahan'iary zareo_de nifatoran'Andriamanitra amin'ny fatotra mandrakizay, amin'ny mizin-kitroka tanteraka, ho amin'ny andron'ny fitsarana lehibe. 7 Kara an'i Sodoma sy Gomora mban'ny tanàna magnodidigna an'iary zareo, nagnome ny tegnan'iary zareo ho amin'ny fijangajangana mban'ny fagnamboarana filana tsy avy amin'Andriamanitra. De natao ohatra amin'ny zegny mijaly amin'ny fagnasaziana amin'ny afo mandrakizay iary zareo. 8 Kanefa de karan'izany my, zegny mpagnonofinofy io de mandoto an'ny vatagnan'iary zareo my koa, sady mizaka raha tsy manjary manohitra an'ny managna voninahitra 9 Fa ndre de i Mikaela arikanjely aza, ndreka niady tamin'ny devoly sady nifanditra taminazy tamin'ny mikasika ny fatin'i Mosesy, de tsy nasahy nizaka raha tsy manjary hagnamelohana anazy. De hoy izy: "Enga anie de hagnanatra anao ny Tompo!" 10 Fa io olona io de mizaka raha tsy manjary an'ny raha marobe tsy fantany. Fa ndregny fantany_de kara ny fahalalan'ny biby tsisy saigna_de izany mamotika an'iary zareo. 11 Loza ho anazareo! Fa raha nandeha tamin'ny tanànan'i Kaina iary zareo sady nagnaraka ny fahadisoan'i Balama mba hazahoany tambiny. De maty tamin'ny figafen'i Kora aby iary zareo. 12 Io de olona kara harambato misitrika amin'ny hanim-pitiavanareo. Mihinagna amin'ny hegnatra, mamoky an'ny tegnan'iary zareo fotsiny. Iary zareo de rahogna tsisy rano, andosin'agnina. Kakazo fararano tsisy isiny_indroy maty, afaka vahany. 13 Iary zareo de onjan-dranomasina maseka, mitopatopaka mamorivory ny egnatran'iary zareo. Kintana mifindrafindra iary zareo, ka vôtahiry ho an'azy mandrakizay ny fahamintignan'ny mizigna. 14 De Enoka koa, lay fahafito nandimby an'i Adama, de efa naminany mikasika an'io, nizaka hoe: "Igny an! Ho tonga ny Tompo miaraka amin'nymasina an'azy amagnalignaligna. 15 Ho tonga Izy mba hagnatanteraka ny fitsarana ny olona marobe. Ho tonga Izy hampagneky an'ny olona ratsy fagnahy marobe tamin'ny asa vitany tamin'ny haratsem-pagnahiny, mban'ny zaka tsy manjary marobe nizakain'ny olona ratsy fagnahy hanoitra an'Azy." 16 Azareo de mpimonomonogna, sady mpimoimoy, mandeha araka ny filan-dratsin'iary zaro. Iary zareo de mpirehareha be, noho ny tombontsoan'iary zareo manokana, de mandoka ny hafa mba hazahoany raha. 17 Fa tadidivonareo aby, a zalay, gny raha nizakain'ny Apostolin'i Jesôsy Kristy Tompontsensa taloha io. 18 Nizakain'iary zareo taminareo: "Fa amin'ny andro farany de hisy mpamokafoka mandeha araka ny filan'ny haratsem-pagnahiny." 19 Io olona io de mitarika fisarahana. Olona araka ny nofo iary zareo, sady tsy managna ny Fanahy. 20 Fa anareo, azalay, de mijoroa tsara amin'ny finoana masina be, sady mivavaha amin'ny Fanahy Masina. 21 Mipetraha amin'ny fitiavan'Andriamanitra, de adiaso ny famindram-pon'i Jesôsy Kristy Tompontsena zay mitondra anao ho amin'ny fiaignana mandrakizay. 22 Mamindrà fo amin'ny zegny misalasala. 23 Vonjeo sady sariho hiala amin'ny afo ny olona sasagny. De ny sasagny ndreka amindrao fo amina tahotra. Mankahalà na de hatramin'ny akanjo vôloton'ny nofo aza. 24 De ho an'Izay miaro anareo mba tsy ho vignitra, sady hatonga anareo hijoro eo agnatrehan'ny voninahitrany, tsisy tsigny sady am-pifalina be, 25 amin'Andriamanitra tokana Mpamonjy antsena tamin'ny alalan'i Jesôsy Kristy tompontsena anie, ny vininahitra, ny fahalebiazana, ny fahefana, ny hery, atramin'ny taloha be, amin'izao, sy mandrakizay. Amena.