Toko faha 2

1 Ry rahalaiko, aza mitana ny finoana an'i Jesôsy kristy Tompontsika, zay Tompon'ny voninahitra, amin'ny fiangarana amin'ny olon-kafa. 2 Atofay hoe misy olona miditra ao amin'ny fivorianareo magnatao peratra volamena sy akanjo tsara, ary misy lilahy mahantra my koa miditra magnatao akanjo maloto. 3 Na mijery an' olona mekanjo tsara anano de mizaka hoe: "Azafady mitomera amina pilasy tsara," fa hijaka amin'ny hizaka amin'ny lilay mahantra koa hoe: "Mitsangàna anao ery ,"na hoe: "Mipetraha eto an-tongotrako,"ka tsy mifampitsara aminareo anareo? 4 Moa tsy nanjary mpitsara amin'ny eritreri-dratsy anareo? 5 Mitenoa, ry rahalay tena teko, tsy efa nifidin'Andriamanitra va ny mahantran'zao tontolo zao mba hanankarena amin'ny finoana sady mpandova ny fanjakana zay nampagnategnainy zay tian'Azy? 6 Fa anareo de nagnala baraka ny tsy managna! Tsy mpanan-karena va arô no nampizaly anareo igny va? Tsy iary zareo my ma nitarika anareo tegny amin'ny fitsarana igny va? 7 Tsy iary zareo koa ma nagnaratsy ny agnarana tsara zay anareo igny an? 8 Na de zany aza, na magnatanteraka ny lalàn'ny mpanjaka anareo, arakan'ny Soratra Masina hoe: "Tiavo ny akamanao kara ny tegnanao". 9 Fa ndreka magnome sitraka ny olona anagny koja anareo, de manota, ka voasajy kara ny tsy magnara-dalàna. 10 Fa na iza na iza magnatanteraka ny lalàna marobe, kanefa lavo amin'ny lalàna raika, de ho diso amin'azy aby. 11 Fa zeny nizaka hoe: "Aza mampirafy," de nizaka my koa hoe: "aza mamono olona." Ka na de tsy mampirafy aza anareo, kanefa mamono olona, de mitovy amin'ny tsy mpagnara-dalàna my. 12 Noho izany de mizakà sy magnamboara karan' iregny zay ho tsaraina amin'ny lalàn'ny fahafahana. 13 Fa ny fitsarana de tonga tsisy indra fo amin'iary zareo zeny tsy namindra fo. 14 Ino no tsara, ry rahalaiko, ndreka mizaka olona raika fa manam-pinoana izy, kanefa tsisy asany? Afaka magnavotra an'azy va arô zany finoana zany va? 15 Atofay hoe misy rahalay na anabavy ratsy fiakanjo sady tsy mihinan-kanina andro raika. 16 Atofay hoe misy raika aminareo mizaka amin'iary zareo hoe: "Mandiana am-piadanana, magnamboara mafana de mivokisa." Na tsy magnome an'iary zareo ny raha ilain'ny vatagny anareo, ino no mahatsara an'zany? 17 De karan'zany koa ny finoana, na tsisy asa, de tsy dikany. 18 Nefa mety misy olona mizaka hoe: "Manam-pinoana anao, de zaho managn'asa." Atoroy anaha ny finoanao tsisy asa, de atoroko anao koa ny finoako amin'ny alalan'ny asako. 19 Anao de mino fa fa raika my Andriamanitra; tsara ny nataonao zany. Fa na ny devoly koa ka mba mino ka de mataotra iary zareo. 20 Tenareo lala va ry lilay, fa fa ny finoana tsisy asa de tsisy ilana an'azy? (Fagnamarinana: Ny dikan-teny taloha sanagny de mamaky hoe: "Tenareo ho lala va, ry rahalay foka, hoe nagnino ny finoana tsisy asa no tsisy dikany?") 21 Tsy tamin'ny asa va arô no nagnamarinana an'i Abrahama iabantsena ndreka nagnome an'Isaka zanagny lay teo amin'ny alitara igny izy va? 22 Hitanao fa ny finoana de niasa nagnaraka ny asany, ka amin'ny asa de nitombo ny finoany. 23 De tanteraka Soratra Masina mizaka hoe: "Abrahama nino an'Andriamanitra, ka nievitra an'zany ho fahamarinana," de natao hoe akaman'Andriamanitra izy. 24 Hitanareo zao fa amin'ny asa no hagnamarinana ny olona, fa tsy amin'ny finoana fotsiny. 25 Karan'zany koa i Rahaba mpivaro-tegna tsy namarinana tamin'ny asa va arô izy, ndreka nampandroso iregny iraka sady nagnandefa an'iary zareo tamin'ny lalan-kafa igny va? 26 Fa maty ny tegna na misaraka amin'ny fagnay, de ôtran'zany my koa ny finoana tsisy asa de tsisy dikany.