Toko 1

1 Paoly, de apostolin'i Kristy Jesôsy avy amin'ny sitrapon'Andrimanitra, de i Timoty rahalahintsika, 2 ho an'ny mpino mbàn'ny rahmahy matoky amin'ny Kristy zay agny Kolosia. Ho aminareo anie ny fahasoavana, mbàn'ny fedanana avy amin'Andriamanitra Abantsena. [Fagamarihana ambanin'ny pejy: misy dikan-teny sasany magnampy hoe: " ny Tompo Jesôsy Kristy"]. 3 Magnome fisôrana an'Andriamanitra antsena, izay i Aban'ny Tompontsena Jesôsy Kristy, sady mivavaka ho anareo fezay zahay. 4 Efa regninay ny finoanareo an'i Kristy Jesôsy mbàn'ny fitiavana izay anagnanareo ho an'ny zegny voatokana ho an'Andriamanitra. 5 Managna an'ny fitiavana izany anareo avy amin'ny fagnantegnana aazo antoka ho anareo agny an-danitra. Regninareo ny mikasika an'io fagnantegnana azo antoka io talohan'ny zaka amin'ny fahamarinana, ny filazantsara, 6 tonga aminareo. Ity filazantsara ity de mitondra vokatra maro magneragna an'izao tontolo izao. Izany de efa nagnano an'izany taminao my koa nanomboka tamin'ny andro naregnesanao an'azy sady nenaranao ny momban'ny fahasoavan'Andriamanitra amin'ny marina. 7 Ity filazantsara izay nenaranareo tamin'ny Epafra, iazy mpiara-manompo malalantsena, zay mpanompo mahatokin'i Kristy amin'ny anarantsena. [Fagnamarihana ambanin'ny pejy: misy dikan-teny sasany mivaky hoe: " Amin'ny anaranareo"] 8 Nampahafatarin'ny Epafra anay ny fitiavanareo Fanahy. 9 Avy amin'io fitiavana io, nanomboka tamin'ny andro naregnesanay an'izany de tsy nijanogna nivavaka ho anareo zahay. Nangatahinay mba ho feno fahalalanan'ny sitrapony amin'ny fahakantena marobe mbàn'ny fahalalana ara-panahy anareo. 10 Nivavaka zahay mba handehananareo am-pahamendrehana amin'ny Tompo amin'ny fomba ankasitrahan'Andriamanitra. 11 Mivavaka ho anareo zahay mba hazoanareo hery amin'ny fahezana marobe magnaraka ny herin'ny voninahitra amin'ny feretana mbàn'ny faharetana. 12 Mivavaka zahay mba hisaotra an'ny Abantsena am-pifalena anareo, zay nafaranareo hanagna anjara amin'ny lovan'ny mpino amin'ny fahazavana [Fagnamarihana ambanin'ny pejy: misy dikan-teny sanagnymivaky hoe: "zegny nahafahantsika nagnana anjara"]. 13 Namonjy antsena tamin'ny fanapahan'ny aizina sy namindra antsena ho agny amin'ny fanjakan'ny Zanagny lahy malalany Izy. 14 Ao amin'ny Zanagny lahy no anagnantsena ny fagnavotana, ny famelàna ny fahotana. [Fagnamarihana ambanin'ny pejy: misy dikan-teny sanagny mivaky hoe: Ao amin'ny Zanagny lahy no anagnantsena ny fagnavotana amin'ny alalan'ny ràny, de ny famelàna ny fahotana."] 15 Ny Zanaka lahy de endrik'Andriamanitra tsy hita maso. Izy no teraka voalohany tamin'ny fihariana. 16 Fa avy amin'Azy no namorognana ny raha marobe, zegny an-danitra agny mbàn'ny zegny ambonin'ny tany aty, ny raha hita maso sady tsy hita maso. Ndre ny seza fiandrianana, ndre ny fanapahana, ndre ny fitondra^m-panjakana, ndre ny manam-pahefana, ny raha marobe de niforognona avy amin'Azy aby sady ho an'Azy. 17 Izy no alohan'ny raha marobe, sady amin'Azy no haharetana ny raha marobe. 18 Izy lohan'ny vatagna, mbàn'ny fengonana. Izy no fanombohana sady teraka voalohany aveo eo agnivon'ny maty, sady izy nanagna pilasy voalohany teo agnivon'ny raha marobe. 19 Satria sitrakan'Andriamanitra ny tokony hiaignan'ny fahatsarana marobe amin'Azy ao, 20 sady mba hampiavana avy amin'ny Zanaka lahy amin'ny raha marobe amin'izy tegnany my. Andriamanitra de nihavagna avy tamin'ny ràn'ny hazo fijalena. Andriamanitra mampihavana ny raha marobe tamin'ny tegnany, na amin'ny raha marobe aty ambonin'ny tany ndre ny raha marobe an-danitra agny. 21 Tamin'ny fotoana raika, ianareo koa de vahiny tamin'Andriamanitra sady fahavalony tan-dohany sy tamin'ireo asa ratsy. 22 Fa amizao Izy no nampihavana anareo tamin'ny vatagny manontolo tamin'ny alalan'ny fahafatesana. Namboariny izany mba hagnavotra anareo ho masina, tsy hanam-pondro agnatrehany, sady nanala baraka Azy noho ny fagnaratsiana, 23 ndreka manohy amin'ny finoana anareo, de aza mihataka amin'ny fanantenana mahatoky ny filazantsara zegny regninareo. Ity no filazantsara zay nizakaina tamin'ny olona marobe niforognony ambanin'ny lanitra. Ity no filazantsara zegny, nahatonga anaha, Paoly, ho mpanompo. 24 Amin'izao zaho de faly amin'ny fijaleko ho anareo, fa zaho de nameno ny nofoko zegny tsy ampy tamin'ny fahoren'i Kristy avy amin'ny vatagnany, de ny fengonana. 25 Avy tamin'ny fengonana no nahampanompo anaha, magnaraka ny andraikitra avy amin'Andriamanitra zegny nomeny anareo, mba hahatanteraka ny tenin'Andriamanitra. 26 Io ny marina mivony sady navony nandritran'ny taona maro sady ho an'ny taranaka. Fa amin'izao de hita izany tamin'iary zareo zegny mino. 27 Tamin'iary zareo no ten'Andriamanitra nampafantarana an'ny voninahitran'ny fahamarinana mivony tagnivon'ny Jentilisa. Kristy ao aminao izany, ny tokin'ny voninahitra ho avy. 28 De nitory an'Azy zahay. Nagnanatra ny olona marobe zahay, sady nampianatra ny olona marobe tamin'ny fahakantena marobe, mba hagnomezantsena ny olona marobe fenno aain'ny Kristy. 29 Izany ny mahatonga anaha miasa mafy sady miezaka magnaraka ny tanjakany miasa aminaha ato amin'ny hery.