Toko 1

1 Avy amin'ny loholona ka hatramin'ny viavy voafidy de iregny zanagny, zay teko amin'ny fahamarinana_- ary tsy zaho raika, fa iregny maro be zay nahafantatra ny marina my koa - 2 nony fahamarinana zay mipetraka ao agnatintsena sady hiaraka amintsena mandrakizay. 3 Ho amintsena ane ny fahasoavana, ny famindram-po, ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Iaba sy avy amin'i Jesôsy Kristy, Zanaky ny Iaba, amin'ny fahamarinana sy fitiavana. 4 Faly be zaho satria nahita ny sanagny amin'iregny zanakao mandea amin'ny fahamarinana, kara ny nandraisantsena zany didy zany avy tamin'ny Iaba. 5 De mangataka aminao zaho, raviavy - tsy kara ny manoratra didy vaovao aminao zaho, fa zay nanagnantsena hatramin'ny voalohany - de ny tokony hifankatiavantsena samy atsena. 6 Izao no fitiavana, de mba ny handehanantsena araka ny didiny. Izao no didy, araka ny regninareo hatramin'ny voalohany, de ny tokony handehananareo amin'zany. 7 Fa maro iregny mpamitaka efa misy agny amin'zao tontolo zao, sady izy iregny de tsy magneky fa Jesôsy Kristy de tonga olona. Zany no mpamitaka sy antikristy. 8 Jerevo ny tegnanareo, mba tsy hahavery iregny raha zay efa vitantsena maro be, fa mba handraisanareo valim-babena feno. 9 Niza niza mandeha eo aloha sady tsy mipetraka amin'ny fampianaran'i Kristy de tsy managna an'Andriamanitra. Ny olona zay mipetraka amin'ny fampianarana, zany olona zany de managna ny Iaba sy ny Zanaka. 10 Naha misy olona tonga eo aminao ary tsy mitondra zany fampianarana zany, de aza mandray an'azy ho ao an-dragnonao sady aza miarahaba an'azy. 11 Fa zay miarahaba an'azy de magnaraka amin'ny ratsy ataony. 12 Managna raha maro ho soratana aminareo zaho, anefa zaho tsy magniry ny hanoratra an'zany amin'ny taratasy sy ranomintina. Na zany aza, magnantegna ny ho tonga agny aminareo zaho sady hikorana mivantagna, mba ho tanteraka ny fifalianareo. 13 Magnano veloma anao iregny zanaky ny rahavavinao voafidy.