Toko 1

1 Paoly , Silasy, de Timoty ho an'ny fiangonan'iary zareo Tesaloniana ao amin'Andriamanitra Ray sy amin'i Jesôsy Kristy Tompo.Engany anie ka ho tonga aminareo ny fahasoavana amban'ny fiadanana. [Fagnamarinan : Amin'ny dikan-teny sasasgny taloha de karan'izao : "Engany anie ka ho Tonga aminareo ny fahasoavana amban'ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesôsy Kristy Tompo".] 8 8 Fa avy taminareo no nagnatoroana ny zaka'ny Tompo, de tsy tao Makedonia sy Akaia fotsiny. Fa de tegny amin'ny toerana marobe no niparitahan'ny finoanareo an'Andriamanitra. Vokany, de tsy mila mizaka ndre ino ndre ino antsena. Fa iary zareo my no hizaka zay fandraisana azonay taminareo. 9 Izy iary zareo de nitantara ny fomba nitodianareo tamin'Andriamanitra ka negnanareo tamin'ny sampy mba hanompoanareo an'Andriamanitra velona sady marina. 10 Iary zareo no nitatitra fa anaraeo de nandigny an'ny Zanagny avy tan-danitra, izy de natsangan'ny tamin'ny maty. Jesôsy izany, Izy nagnafaka antsena amin'ny fahavignirana ho avy.