1
Milaza ny marina ao amin'i Kristy aho. Tsy mandainga aho, ary ny eritreritro no vavolombelona miaraka amiko ao amin'ny Fanahy Masina,
2
fa ho ahy dia misy alahelo lehibe ary fahoriana tsy mitsahatra ato am-poko.
3
Fa afaka naniry aho fa izaho tenako dia ho voaozona ka hiataka amin'i Kristy noho ny amin'ireo rahalahiko, ireo izay iray firazanana amiko araka ny nofo.
4
Izy ireo dia Isiraelita. Izy ireo dia manana fananganana, ny voninahitra, ireo fankatoavana, ny fanomezan'ny lalàna, ny fiderana an'Andriamanitra, ary ireo fampanantenana.
5
Ny azy ireo dia ireo razana izay nahatonga an'i Kristy ho tonga nofo, Izy izay Andriamanitra ambonin'ny rehetra. Ho deraina mandrakizay anie Izy. Amena.
6
Fa tsy foana ireo izay nampanantenain' Andriamanitra. Fa tsy izay rehetra avy any Isiraely no tena an'Isiraely.
7
Na ireo taranak'i Abrahama rehetra no tena zanany. Fa: "Amin'ny alalan'Isaka no hiantsoana ireo taranakao.''
8
Izany hoe, ireo zanaky ny nofo dia tsy zanak' Andriamanitra. Fa ireo zanakin'ny fampanantenana no raisina ho taranaka.
9
Fa toy izao no tenin'ny fampanantenana: "Amin'izany fotoana izany dia ho avy Aho, ary homena zazalahy Saraha."
10
Tsy izany ihany, fa avy eo koa Rebeka hanan'anaka amin'ny lehilahy iray, Isaka raintsika_
11
fa mbola tsy teraka akory ireo zaza ary mbola tsy nanao zavatra tsara na ratsy, mba ho toa ny tanjon'Andriamanitra araka ny fisafidianana, tsy noho ireo asa, fa noho Izy izay miantso_
12
nambara tamin'dravehivavy hoe: "Ny zokiny dia hanompo ny zandriny."
13
Izany dia tahaka izay voasoratra hoe: "Jakoba tiako, fa Esao halako."
14
Inona ary no ho lazaintsika? Misy tsy fahamarinana ve miaraka amin'Andriamanitra?
15
Tsy hisy mihitsy anie izany. Fa hoy Izy tamin'i Mosesy hoe: "Hamindra fo amin'izay tiako hamindrana fo Aho, ary hangoraka ireo izay tiako hangorahana Aho."
16
Noho izany ary, dia tsy noho izy mikasa izany, na noho izy izay mihazakazaka, fa noho Andriamanitra, izay nampiseho ny famindram-po.
17
Fa ny Soratra Masina nanambara tamin'i Farao hoe: "Fa noho izany antony izany no nanandratako anao, mba hanehoako aminao ny heriko, ary mba hanambarana ny anarako eran-tany."
18
Noho izany, Andriamanitra dia mamindra fo amin'izay tiany, ary izay tiany, no ho hamafisiny fo.
19
Avy eo hilaza amiko ianareo hoe: "Nahoana no mbola mahita tsiny foana Izy?" Fa iza no mahatohitra ny sitrapony?"
20
Mifanohitra amin'izany, ralehilahy, iza moa ianao no mamaly manohitra an'Andriamanitra? Moa izay efa novolavolaina hilaza amin'ny mpamolavola izany hoe: "Nahoana no nataonao tahaka izao aho?"
21
Moa ny mpanefy vilany tsy manana zo amin'ny tanimanga ka ny vongana iray ihany no hanamboarana fitoerana amin'ny andro voatokana, ary fitoerana iray hafa amin'ny andavanandro?
22
Ahoana raha Andriamanitra, izay te-ampiseho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny fahefany, no niaritra tamim-paharetana ireo fitoeran'ny fahatezerana nomanina ho amin'ny fahasimbaina?
23
Ahoana raha nataony izany mba hampahafantarany ny haren'ny voninahiny eo amin'ireo fitoeran'ny famindram-po, izay efa nomaniny mialoha ho amin'ny voninahitra?
24
Ahoana raha nataony ho antsika koa izany, izay nantsoiny ihany koa, tsy ho eo amin'ny samy Jiosy ihany, fa ho eo amin'ny ireo Jentilisa ihany koa?
25
Araka izay nolazainy tao amin'i Hosea ihany koa hoe: "Hantsoiko hoe oloko izay tsy oloko, ary hoe malalany ilay tsy malala.
26
Avy eo dia any amin'izay nilazàna tamin'izy ireo hoe: 'Tsy oloko ianareo,' any no hiantsoana azy ireo hoe: 'zanak'Andriamanitra velona.'"
27
Isaia niantso mafy ny amin'ny Isiraely hoe: "Raha tahaka ny fasika eny amin'ny ranomasina ny isan'ny zanak'Isiraely, dia ho voavonjy izay sisa ambiny,
28
fa ny Tompo hitondra ny teniny eto an-tany, feno ary tsy ho ela."
29
Araka ny nolazain'Isaia mialoha hoe: "Raha ny Tompo tompon'ny maro no tsy namela taranaka ho antsika, dia ho tahaka an'i Sodoma isika, ary ho lasa tahaka an'i Gomora."
30
Inona ary no holazaintsika? Fa ireo Jentilisa, izay tsy nitady ny fahamarinana, no nahazo ny fahamarinana, izay fahamarinana avy tamin'ny finoana.
31
Fa Isiraely, izay nitady ny lalàn'ny fahamarinana, dia tsy tonga tamin'izany.
32
Nahoana moa? Satria izy ireo tsy nitady izany tamin'ny finoana, fa tamin'ny asa. Tafintohin'ny vaton'ny fanafintohinana izy ireo,
33
araka izay efa voasoratra hoe: "Jereo, ao Ziona no ametrahako ny vaton'ny fanafintohinana sy vatolampin'ny fandikan-dalàna. Izay mino izany dia tsy ho menatra."