1
Inona ary no ho lazaintsika? Tokony hanohy amin'ny fahotana ve isika mba hitomboan'ny fahasoavana?
2
Tsy hisy mihitsy anie izany. Isika izay maty ny amin'ny ota, amin'ny fomba ahoana moa no mbola hiainantsika amin'izany ihany?
3
Tsy fantatrareo ve fa ireo rehetra natao batisa tao amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa tao amin'ny fahafatesany?
4
Koa, voalevina, niaraka taminy tamin'ny alalan'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika. Nitranga izany mba ho toy ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray, no andehanantsika amin'ny fiainam-baovao ihany koa.
5
Fa raha mikambana Aminy amin'ny endriky ny fahafatesany isika, dia hikambana amin'ny fitsanganany ihany koa.
6
Fantantsika izany, fa ny tenantsika taloha dia nofantsihana niaraka taminy, mba hamotehana ny tenan'ny ota. Nitranga izany mba ho andevozin'ny ota intsony isika.
7
Izy izay maty dia nambara fa marina sady afaka amin'ny fahotana.
8
Fa raha maty niaraka tamin'i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona Aminy ihany koa.
9
Isika dia mahafantatra fa nitsangana tamin'ny maty Kristy, ary tsy maty intsony Izy. Tsy manjaka Aminy intsony ny fahafatesana.
10
Fa raha ny momba ny fahafatesana dia maty nohon'ny amin'ny fahotana Izy, maty indray mandeha ho an'ny rehetra Izy. Kanefa, ny fiainana izay hiainany dia iainany ho an'Andriamanitra.
11
Dia tahaka izany, tsy maintsy mihevitra ny tenanareo ho efa maty amin'ny fahotana ihany koa ianareo, fa velona ho an'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy.
12
Noho izany aza avela hanjaka ao amin'ny tenanareo mety maty ny ota mba hanarahanareo ny filàn-dratsy.
13
Aza atolotra ho an'ny fahotana ny ratsam-batanareo, ho fitaovana ampiasaina amin'ny tsy fahamarinana. Fa atolory ho an'Andriamanitra ny tenanareo, toy ny nitsangana tamin'ny maty izay velona ankehitriny. Ary atolory ho an'Andriamanitra ny ratsam-batanareo mba ho fitaovana ampiasaina amin'ny fahamarinana.
14
Aza avela hanjaka aminareo ny ota. Satria tsy ambanin'ny lalàna ianareo, fa ambanin'ny fahasoavana.
15
Ka inona ary? Tokony hanota ve isika satria tsy ambanin'ny lalàna, fa ambanin'ny fahasoavana? Tsy hisy mihitsy anie izany.
16
Tsy fantatrareo ve fa ilay iray izay anoloranareo ny tenanareo ho mpanompo dia ilay iray izay ho hankatoavinareo, ilay hany tsy maintsy hankatoavinareo? Marina izany na mpanompon'ny fahotana izay mitarika any amin'ny fahafatesana ianareo, na mpanompon'ny fankatoavana izay mitarika any amin'ny fahamarinana.
17
Fa isaorana Andriamanitra! Satria efa mpanompon'ny fahotana ianareo, kanefa nankatoa tao am-ponareo ny fomba fampianarana izay nomena anareo.
18
Nafahana tamin'ny ota ianareo, ary natao mpanompon'ny fahamarinana.
19
Miteny tahaka ny olona aho noho ny fahalemen'ny nofonareo. Satria vantany vao nanolotra ny ratsam-batanareo ho andevon'ny fahalotoana sy ny ratsy ianareo, dia tahaka izany koa izao, atolory ho andevon'ny fahamarinana ho amin'ny fahamasinana ny ratsam-batanareo.
20
Fa fony ianareo andevon'ny ota, dia afaka tamin'ny fahamarinana.
21
Amin'izao, inona ary no vokatra azonareo tamin'ireo zavatra izay mahamenatra anareo ankehitriny? Satria ny vokatr'ireny zavatra ireny dia ny fahafatesana.
22
Fa ankehitriny rehefa nafahana tamin'ny ota ianareo ary tonga mpanompon'Andriamanitra, dia mijinja ny fahamasinana. Ny vokatra dia ny fiainana mandrakizay.
23
Fa ny tambin'ny ota dia fahafatesana, fa ny fanomezan'Andriamanitra kosa dia ny fiainana mandrakizay ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.