Toko faha 4

1 Inona ary no ho lazaintsika fa hitan'i Abrahama, raintsika tany aloha araka ny nofo? 2 Fa raha nohamarinina tamin'ny asa Abrahama, dia nanana antony hireharehana izy, nefa tsy eo anatrehan' Andriamanitra. 3 Fa inona no ambaran'ny Soratra Masina? ''Abrahama dia nino an'Andriamanitra, ary nisaina ho fahamarinana izany." 4 Ary ho an'izay miasa, ny karamany dia tsy isaina ho fahasoavana, fa ho toy izay trosa . 5 Fa ho an'izay tsy miasa kosa nefa mino an'Ilay iray izay manamarina ny mpanohitra an'Andriamanitra, dia isaina ho fahamarinana ny finoany. 6 Davida ihany koa dia manonona tso-drano amin'ny olona izay isain'Andriamanitra ho marina nefa tsy miasa. 7 Hoy izy hoe: ''Sambatra ireo izay voavela ny helony, ary koa ireo izay voasarona ny fahotany. 8 Sambatra izay tsy hisain'ny Tompo heloka." 9 Amin'ireo voafora ihany ve no hanononana izany tso-drano izany, sa amin'ireo tsy voafora koa? Fa hoy isika hoe: ''Ny finoana dia nisain'i Abrahama ho fahamarinana.'' 10 Koa ahoana ary no nanisana izany? Tamin'i Abrahama efa voafora, sa tamin'izy tsy mbola voafora? Tsy tamin'izy efa voafora fa tamin'izy mbola tsy voafora. 11 Abrahama dia nandray ny famantaran'ny famoràna. Izany dia mariky ny fahamarinan'ny finoana izay efa nananany raha mbola tsy voafora izy. Ny valin'izany famantarana izany dia lasa rain'izay mino rehetra izy, na dia mbola tsy voafora aza izy ireo. Midika izany fa ny fahamarinana dia ho isaina ho azy ireo. 12 Nidika koa izany fa Abrahama dia lasa rain'ny voafora tsy ho an'ireo izay voafora irery ihany fa ho an'ireo izay manaraka ny dian'ny finoan'i Abrahama raintsika ihany koa talohan'ny tsy mbola naha-voafora azy. 13 Fa ny fampanantenana tamin'i Abrahama sy ireo taranany fa ho mpandova izao tontolo izao izy dia tsy avy amin'ny alalan'ny lalàna fa avy amin'ny alalan'ny fahamarinan'ny finoana. 14 Fa raha ireo izay miaina amin'ny lalàna no mpandova, dia ho foana ny finoana, ary tsinotsinona ny fampanantenana. 15 Satria ny didy dia mitondra amin'ny fahatezerana, fa any amin'izay tsy misy lalàna, dia tsy misy fandikan-dalàna. 16 Noho izany antony izany dia miseho amin'ny finoana izany, mba hipetrahan'ny fampanantenana amin'ny fahasoavana ary ho azo antoka amin'ireo taranak'i Abrahama rehetra_ tsy ho an'ireo izay ambanin'ny lalàna ihany, fa ho an'ireo izay mizara ny finoan'i Abrahama ihany koa. Raintsika rehetra izy, 17 araka ny voasoratra hoe: ''Nataoko ho rain'ny firenena maro ianao." Teo amin'ny fanatrehan'Ilay nitokiany Abrahama, dia, Andriamanitra izany, izay manome fiainana ireo maty ary miantso ireo zavatra tsy mbola misy mba hisy. 18 Na dia teo aza ireo zava-mitranga ivelany, dia natoky tanteraka an'Andriamanitra i Abrahama amin'ny ho avy. Ka tonga rain'ny firenena maro izy, araka izay efa voalaza hoe: ''Ho tahaka izany ny taranakao." 19 Tsy narefo tamin'ny finoana izy. Fantatr'i Abrahama fa tsy afaka ny hanan-janaka izy (satria efa teo amin'ny zato taona teo izy). Nanaiky ihany koa izy fa ny kibon'i Saraha dia tsy afaka ny hitondra vohoka intsony. 20 Nefa nohon'ny fampanantenan'Andriamanitra, dia tsy nisalasala tamin'ny tsy finoana i Abrahama. Fa kosa, niha-nahery tamin'ny finoana izy ary nidera an'Andriamanitra. 21 Resy lahatra tanteraka izy fa izay nampanantenain'Andriamanitra, dia afaka tanterahany ihany koa. 22 Noho izany dia nisaina ho azy ho fahamarinana izany. 23 Ary dia tsy nosoratana ho an'ny tombotsoany irery ihany izany, fa nisaina ho azy izany. 24 Nosoratana ho antsika ihany koa izany, ho an'izay hanisana izany, isika izay mino Azy izay nanangana an'i Jesosy Tompontsika tamin'ny maty. 25 Izy Ilay iray natolotra noho ireo fahotantsika ary natsangana mba hanamarina antsika.