1
Noho izany dia tsy manana fialan-tsiny ianao, ry olona, ianao izay mitsara, fa izay itsaranao ny hafa no anamelohanao ny tenenao. Fa ianao izay mitsara dia manao ireo ihany koa.
2
Nefa fantatsika fa ny fitsaran'Andriamanitra dia araka ny marina rehefa mianjera amin'ireo izay manao zavatra tahaka ireo izany.
3
Fa hevero izao, ry olona, ianao izay mitsara ireo izay manao zavatra tahaka ireo na dia manao tahaka ireny koa aza ianao. Hitsoaka ny fitsaran'Andriamanitra va ianao?
4
Sa hamaivaninao ny haren'ny hatsaram-panahiny, ny fandeferany, ary ny faharetany? Tsy fantatrao va fa ny hatsaram-panahiny dia natao hitarika anao amin'ny fibebahana?
5
Fa izany dia ho amin'ny halehiben'ny hamafy sy tsy fibebahan'ny fonareo no anangonanareo fahatezarana ho an'ny tenanareo amin'ny andro fahatezerana, izany dia, ny andron'ny fanehoana ny fitsarana marin'Andriamanitra.
6
Hamaly ny olona rehetra amin'ny fatra mitovy amin'ireo nataony Izy:
7
hanome araka ny faharetana, ny asa tsara mitady dera, voninahitra, ny tsy fahafatesana, fiainana mandrakizay Izy.
8
Fa ho an'ireo izay mitady ho an'ny tenany, izay tsy mankatoa ny marina fa mankatoa ny tsy fahamarinana, dia ho avy ny fahatezerana sy ny ny fasikana.
9
Andriamanitra dia hitondra fahoriana sy fahantrana amin'ny fanahin'ny olona rehetra izay nanao ratsy, amin'ny Jiosy aloha, ary amin'ny Grika ihany koa.
10
Fa dera, laza, ary fiadanana no ho avy amin'ireo izay manao ny tsara, amin'ny Jiosy aloha, ary amin'ny Grika ihany koa.
11
Fa tsy misy fiangarana miaraka amin'Andriamanitra.
12
Fa izay rehetra nanota tsy nanana ny lalàna dia ho very tsy manana lalàna ihany koa, ary izay rehetra nanota niaraka tamin'ny fanajana ny lalàna dia ho tsaraina araka ny lalàna.
13
Fa tsy ireo mpandre ny lalàna no marina eo anatrehan'Andriamanitra, fa ireo izay mampihatra ny lalàna no nohamarinina.
14
Fa ireo jentilisa, izay tsy manana ny lalàna, rehefa manao ny zavatra momban'ny lalàna araky ny voajanahary, dia izy ireo no lalàna ho an'ny tenany, na dia tsy manana ny lalàna aza izy ireo.
15
Amin'izany no anehoan'izy ireo fa ny asa angatahan'ny lalàna dia voasoratra ao am-pon'izy ireo. Ny fieritreretan'izy ireo ihany koa dia vavolombelona ho azy ireo, ary ny fisainan'izy ireo manokana dia na manameloka na miaro azy ireo amin'ny tenan'izy ireo
16
ary koa amin'Andriamanitra. Izany dia hitranga amin'ny andro izay hitsaran'Andriamanitra ireo tsiambaratelon'ny olona rehetra, araka ny filazantsarako, amin'ny alalan'i Jesosy Kristy.
17
Fa raha toa ka Jiosy no hiantsoanao ny tenanao ary miankina amin'ny lalàna sy mirehareha ao amin' Andriamanitra,
18
ary mahalala ny sitrapony sy mamantatra izay zavatra tsara indrindra satria nampianarina tamin'ny lalàna ianao;
19
ary raha toa ka resy lahatra ianao fa ny tenanao dia mpitarika ny jamba, fahazavana ho an'ireo izay ao amin'ny aizina,
20
mpanitsy ny adala, mpampianatra ny zazakely, ary anananao ao amin'ny lalàna ny endriky ny fahalalana sy ny marina, dia ahoana izany no fiantraikan'izany amin'ny fomba hiainanao ny fiainanao?
21
Ary ianao izay mampianatra ireo sasany, tsy mampianatra ny tenanao va ianao? Ianao izay mitory manohitra ny halatra, mangalatra va ianao?
22
Ianao izay miteny fa tsy tokony hijangajanga, mijangajanga va ianao? Ianao izay mankahala ny sampy, mandroba ireo tempoly va ianao?
23
Ianao izay faly mirehareha ao amin'ny lalàna, manala-baraka an'Andriamanitra va ianao amin'io fandikanao ny lalàna io?
24
Fa "ny anaran' Andriamanitra dia efa afa-baraka teo amin'ireo Jentilisa noho ianareo," araka izay efa voasoaratra.
25
Fa mahazo tombony amin'ny famorana tokoa ianareo raha toa ka mankatoa ny lalàna, fa raha mandika ny lalàna ianareo, dia tonga tsy voafora na dia efa voafora aza ianareo.
26
Arak'izany, raha olona tsy voafora no mitandrina izay takian'ny lalàna, tsy hatao ho isan'ny voafora va izy na dia tsy voafora aza?
27
Ary tsy ho helohin'ilay iray izay tsy mifora ara-boajanahary va ianareo raha toa ka mitandrina ny lalàna izy? Izany dia satria manana ny lalàna voasoratra sy ny famoràna ianareo, nefa mbola mandika ny lalàna!
28
Fa izy dia tsy jiosy amin'ny endrika ivelany fotsiny; na amin'ny famoràna izay miseho amin'ny endrika ivelan'ny nofo fotsiny.
29
Fa izy dia jiosy ao anaty, ary ny famorana izay an'ny fo, ao amin'ny Fanahy, fa tsy ao amin'ny soratra. Ny fiderana ny olona tahaka izany dia tsy avy amin'ny olona fa avy amin'Andriamanitra.