Toko faha 12

1 Famantarana lehibe no hita tany an-danitra: vehivavy nitafy ny masoandro, ary ny volana teo ambanin' ny tongony, ary satro-boninahitra vita tamin'ny kintana roa ambin'ny folo no teo amin'ny lohany. 2 Bevohoka izy, ary nihiaka mafy fa efa ho teraka, ao anatin'ny fihetsehan-jaza. 3 Avy eo nisy famantarana hafa niseho tany an-danitra: Indro! Nisy dragona mena goavam-be izay nanana loha fito sy tandroka folo, ary nisy satro-boninahitra fito teo amin'ireo lohany. 4 Ny rambony dia nifaoka ny ampahatelon'ny kintana tany an-danitra sady nanipy azy ireo teny amin'ny tany. Ilay dragona nijoro teo anoloan'ilay vehivavy izay efa ho teraka, ka rehefa teraka izy, dia afaka handrapaka ny zanany izy. 5 Niteraka zazalahy izy, izay hanapaka ny firenena rehetra miaraka amin'ny tehim-by. Ny zanany dia nalaina an-keriny ho any amin'Andriamanitra sy ho eo amin'ny seza fiandrianany, 6 ary ilay vehivavy dia nandositra nankany an'efitra, izay nisy toerana efa nomanin'Andriamanitra ho azy, koa dia ho voakarakara mandritry ny 1260 andro izy. 7 Ary nisy ady tany an-danitra. Mikaela sy ireo anjeliny dia niady tamin'ilay dragona; ary ilay dragona sy ny anjeliny dia namaly ady. 8 Fa tsy dia natanjaka ilay dragona ka tsy naharesy. Koa tsy nisy toerana ho azy sy ireo anjeliny intsony tany an-danitra. 9 Ilay dragona lehibe— izay menarana fahiny nantsoina hoe devoly na Satana, ilay namitaka an'izao tontolo izao—dia natsipy teny ambonin'ny tany, ary ireo anjeliny dia natsipy niaraka taminy. 10 Avy eo nandre feo mafy avy any an-danitra aho: "Ankehitriny dia tonga ny famonjena, ny hery, ny fanjakan'Andriamanitsika ary ny fahefan'i Kristiny. Fa ny mpiampanga ny rahalahintsika dia natsipy tany ambany, ilay iray izay miampanga azy ireo andro aman'alina eo anatrehan'Andriamanitsika. 11 Izy ireo dia naharesy azy tamin'ny ràn'ny Zanak'ondry sy tamin'ny teny fijoron'izy ireo vavolombelona, fa tsy nankamamy ny fiainany intsony izy ireo na dia ho faty aza. 12 Noho izany, mifalia, ianareo ry lanitra, sy izay rehetra monina ao aminy. Fa mitandrema ny amin'ny tany sy ny ranomasina satria ny devoly dia nidina teny aminareo. Feno fahatezerana izy, satria fantany fa fotoana fohy sisa no hananany. 13 Rehefa nahafantatra ilay dragona fa nazera tamin'ny tany izy, dia nanenjika ilay vehivavy niteraka zazalahy izy. 14 Fa ilay vehivavy dia nomena elatra roan'ny voromahery lehibe, ka dia afaka nanidina nankany amin'ilay toerana nokarakaraina ho azy tany an'efitra. Io ilay toerana hitsinjovana azy, mandritry ny telo taona sy tapany— mba tsy ho hitan'ilay menarana. 15 Namoaka rano toy ny renirano tamin'ny vavany ilay menarana, izay hifaoka an-dravehivavy. 16 Fa ny tany nanampy an-dravehivavy. Nosokafan'ny tany ny vavany ary dia nateliny ny riaka izay navoakan'ny vavan'ilay dragona. 17 Ary tezitra tamin-dravehivavy ilay dragona ka niala ary nitady ady tamin'ny ambin'ireo taranany, izay mankàto ny didin'Andriamanitra ary mitana ny fijoroana vavolombelona momba an'i Jesosy. 18 Avy eo nitsangana teo ambonin'ny fasiky ny ranomasina ilay dragona.