1 Ity ny fanambarana an'i Jesosy Kristy izay nomen'Andriamanitra azy hampisehona an'ireo mpanompony ny zavatra tsy maintsy hitranga. Nampahafantariny izany tamin'ny alalan'ny fandefasany ny anjeliny ho an'i Jaona mpanompony. 2 Jaona dia nanamarina ny momban'ny tenin'Andriamanitra sy ireo fijoroana vavolombelona mahakasika an'i Jesosy Kristy, sy ireo zavatra rehetra hitany. 3 Sambatra izy izay mamaky amin'ny feo avo, ary izay mihaino ny tenin'izany faminaniana izany, sy izay mitandrina izay voasoratra ao aminy, satria efa akaiky ny fotoana. 4 Jaona nankany amin'ireo fiangonana fito tany Asia: Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'ilay ankehitriny, sy taloha, ary ho avy, sy avy amin'ireo fanahy fito izay eo anatrehan'ny seza fiandrianany, 5 ary avy amin'i Jesosy Kristy, izay vavolombelona marina, lahimatoa amin'ny maty, ary lehiben'ny mpanjakan'ny tany. Ho an'ilay tia antsika sy nanafaka antsika tamin'ireo fahotantsika tamin'ny ràny— 6 Izy dia nanao antsika ho fanjakana, mpisorona ho an'Andriamaniny sy Rainy— ho Azy anie ny voninahitra sy ny fahefana mandrakizay doria. Amena. 7 Indro, avy amin'ny rahona Izy; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia ireo nandefona Azy aza. Ny firenena rehetra ambonin'ny tany hitomany Azy. Eny, Amena. 8 "Izaho no Alfa sy Omega," hoy ny Tompo Andriamanitra, "ilay ankehitriny, sy taloha, ary ho avy, dia ilay Tsitoha." (Fanamarihana: ny dikan-teny hafa taloha dia mivaky toy izao: "Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy fiafarana," hoy ny Tompo Andriamanitra. 9 Izaho, Jaona—rahalahinareo sy ilay iray izay nizara taminareo tao anatin'ny fijaliana sy fanjakana ary ny faharetana ao amin'i Jesosy Kristy— dia tao amin'ny nosy atao hoe Patmo noho ny tenin'Andriamanitra sy ny fijoroana vavolombelona ny mahakasika an'i Jesosy. 10 Izaho dia notarihin'ny Fanahy tamin'ny andron'ny Tompo. Nandre feo mahery tahaka ny trompetra teo ivohoko aho. 11 Nanao izany hoe: "Soraty ao amin'ny boky izay hitanao, koa alefaso any amin'ireo fiangonana fito— ho an'ny Efesosy, Smyrna, Pergamosy, Tyatira, Sardisy, Filadelfia, ary Laodikia." 12 Nizaha ny manodidina aho nitady hoe feon'iza izany niteny tamiko izany, ary raha nitodika aho dia nahita fanaovan-jiro volamena fito. 13 Ary teo afovoan'ny fanaovan-jiro nisy anankiray tahaka ny Zanak'olona, nitafy akanjo lava tonga hatrany amin'ny tongony, ary fehin-kibo volamena manodidina ny tratrany. 14 Ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny volon'ondry— fotsy tahaka ny rano mandry, ary ny masony tahaka ny lelafo. 15 Ny tongony mangirana tahaka ny varahina, toy ny varahina voadio teo amin'ny lafaoro, ary ny feony toy ny feona rano be mikoriana. 16 Ary nanana kintana fito teny an-tanany ankavanana Izy, ary sabatra roa lela maranitra nivoaka avy teo amin'ny vavany. Ny tarehiny dia nazava tahaka ny masoandro rehefa miredareda. 17 Rehefa nahita Azy aho, dia nianjera teo amin'ny tongony tahaka ny olona maty. Nanendry ahy tamin'ny tanany ankavanana Izy ka nanao hoe: "Aza matahotra. Izaho no voalohany sy farany, 18 ary ilay iray izay velona. Efa maty Aho, fa indro, velona mandrakizay! Ary Izaho manana ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny Fiainan-tsy hita. 19 Noho izany soraty izay hitanao, izay ankehitriny, sy izay hitranga aorian'izao. 20 Tahaka ny zava-miafina mahakasika ireo kintana fito izay hitanao teny an-tanan-kavanako, sy ireo fanaovan-jiro volamena fito: "Ny kintana fito dia ireo anjelin'ny fiangonana fito, ary ny fanaovan-jiro fito dia ireo fiangonana fito."