Toko 1
1
Ny fanambarana mahakasika an'i Ninive. Ny bokin'ny fahitan'i Nahoma, ilay Elkosita.
2
Andriamanitra saro-piaro sy mamaly faty Yaveh. Mamaly faty sy feno fahatezerana Yaveh. Mamaly ratsy amin'ireo mpifanandrina aminy Yaveh, ary manohy ny fahatezerany ho an'ny fahavalony Izy.
3
Mahari-po sy lehibe amin'ny heriny Yaveh; tsy hanambara ireo fahavalony ho tsy manan-tsiny velively Izy. Hanao ny lalany ao amin'ny tafio-drivotra Yaveh, ary ny rahona no vovoky ny tongony.
4
Miteny mafy ny ranomasina Izy ka manamaina izany; mandritra ny renirano rehetra Izy. Ketraka i Basana, ary i Karmela ihany koa; malazo ireo voninkazon'i Libanona.
5
Mihovitra amin'ny fanatrehany ireo tendrombohitra, ary mietry ireo havoana; mirodana amin'ny fanatrehany ny tany, eny tokoa, ny tany sy izay olona rehetra monina ao aminy.
6
Iza no hahajoro eo anatrehan'ny fahatezerany? Iza no hahatohitra ny firehetan'ny hatezerany? Miraraka tahaka ny afo ny fahatezerany, novakivakiany ireo vatolampy.
7
Tsara Yaveh, fiarovana mafy amin'ny andro fahoriana; ary mahatoky amin'izay mialoka aminy Izy.
8
Fa hanapitra tanteraka ireo fahavalony amin'ny tondra-drano manafotra kosa Izy; hanenjika azy ireo any amin'ny haizina Izy.
9
Mitetika inona anoherana an'i Yaveh ianareo ry vahoaka? Hamarana tanteraka izany Izy; tsy hisandratra fanindroany ny fahoriana.
10
Fa ho raiki-tahotra tahaka ny kirihitra tsilo; ho safotry ny zava-pisotrony; ho levon'ny afo tanteraka tahaka ny mololo maina izy ireo.
11
Nisandratra tao aminao, ry Ninive, ny olona izay nikasa zava-dratsy hanoherana an'i Yaveh, dia olona izay namporisika faharatsiana.
12
Izao no lazain'i Yaveh: "Na dia ao amin'ny tanjany tanteraka ary maro isa aza izy ireo, dia ho ringana izy ireo; tsy hisy olony intsony. Fa ianao, ry Joda: Na dia nampahory anao aza Aho, dia tsy hampahory anao intsony Aho.
13
Ary hanapaka ny ziogan'ireo olona ao aminao Aho; hanapaka ireo fatoranao Aho."
14
Efa nanome baiko momba anao Yaveh, ry Ninive: "Tsy hisy intsony ny taranaka hitondra ny anaranao. Hamongotra ireo sarin-javatra voasokitra sy ireo sarin-javatra an-idina amin'ireo tranon'ireo andriamanitrao Aho. Hiady ireo fanasanao Aho, satria tsinontsinona ianao."
15
Indro, eny an-tendrombohitra ny tongotry ny olona izay mitondra vaovao mahafaly, izay manambara fiadanana! Ankalazao ireo firavoravoanareo, ry Joda, ary efao ireo voadinareo, fa tsy handositra anareo intsony ny ratsy fanahy; ringana tanteraka izy.