Toko faha 15

1 Vao maraim-be, dia nivory ny mpisoronabe niaraka tamin'ireo loholona sy ireo mpanora-dalàna ary ny Synedriona Jiosy iray manontolo. Nofatoran'izy ireo Jesosy ary nentin'izy ireo nivoaka. Natolotr'izy ireo teo amin'i Pilato Izy. 2 Nanontany Azy Pilato hoe: "lanao va no mpanjakan'ny jiosy?" Novaliany hoe: "Voalazanao." 3 Nanolotra fiampangana maro manohitra an'i Jesosy ireo lohan'ny mpisorona. 4 Nanontany Azy indray Pilato hoe: "Tsy manome valin-teny va Ianao? Jereo ny habetsaky ny fiampangana entin'izy ireo manohitra Anao!" 5 Fa tsy namaly an'i Pilato intsony Jesosy, dia nahagaga azy izany. 6 Ary tamin'ny andro firavoravoana, dia namotsotra gadra iray ho azy ireo foana Pilato, gadra izay angatahan'izy ireo. 7 Niaraka tamin' ireo mpikomy tao am-ponja, teo amin'ireo mpamono olona izay voatazona nohon'ny fandraisan'izy ireo anjara tamin'ny fikomiana, dia nisy lehilahy iray antsoina hoe Barabasy. 8 Dia nankeo amin'i Pilato ny vahoaka ka nanomboka nangataka taminy mba hanao ho azy ireo araka ny fanaony tany aloha. 9 Pilato namaly azy ireo ka nanao hoe: "Tianareo va raha ny Mpanjakan'ny Jiosy no halefako ho anareo?" 10 Satria fantany fa fialonana no nanoloran'ny lohan'ny mpisorona an'i Jesosy taminy. 11 Fa nanentana ny vahoaka ireo lohan'ny mpisorona mba hihiaka mafy fa tokony ho Barabasy kosa no havotsotra. 12 Dia namaly azy ireo indray Pilato ka nanao hoe: "Inona ary izany no tokony ho ataoko amin'ny Mpanjakan'ny Jiosy?" 13 Dia nihiakiaka indray izy ireo hoe: "Homboy Izy!" 14 Hoy Pilato tamin'izy ireo hoe: "Inona no ratsy nataony?" Fa nihiaka mafy hatrany hatrany izy ireo hoe: "Homboy Izy." 15 Te-hanao izay mahafa-po azy ireo Pilato, koa dia nafahany ho azy ireo Barabasy. Nokapohiny Jesosy ary avy eo natolony mba homboana. 16 Nentin'ireo miaramila ho eo an-kianja Izy (izay ivon-toeran'ny fanjakana), ary nantsoin'ireo avokoa ny antoko miaramila manontolo 17 Notafian'izy ireo lamba voloparasy Jesosy, ary nandrandrana fehiloha tsilo izy ireo ka nametraka izany teo aminy. 18 Dia nanomboka niarahaba Azy izy ireo ary niteny hoe: "Arahaba, ry Mpanjakan'ny Jiosy!" 19 Nokapohin'izy ireo tamin'ny volotara ny lohany sady nandrora teo aminy. Dia nandohalika teo anatrehany izy ireo mody nidera Azy. 20 Rehefa avy naneso Azy izy ireo, dia nesorin'izy ireo taminy indray ny lamba volomparasy ary nampitafian'izy ireo Azy ny fitafiany manokana, ary dia nentin'ireo nivoaka Izy mba hanomboana Azy. 21 Noteren'izy ireo ny mpandalo anankiray izay avy any an-tsaha mba hilanja ny hazofijalian'i Jesosy, lehilahy iray antsoina hoe Simona Kyreniana rain'i Aleksandra sy Rofosy. 22 Nentin'ireo miaramila tany amin'ny toerana atao hoe Gologota Jesosy (izay midika hoe "Toeran'ny karandoha"). 23 Nomen'izy ireo divay nifangaro miora Izy, fa tsy nisotro izany Izy. 24 Dia nohomboan'izy ireo Izy ary nifampizaran'izy ireo tamin'ny alalan'ny ankitsapaka ny fitafiany mba hahalalana izay ampahany raisin'ny miaramila tsirairay. 25 Tamin'ny ora fahatelo Izy no nohomboan'izy ireo. 26 Ary teo amin'ny takelaka hazo iray no nosoratan'izy ireo ny fiampangana nanohitra Azy hoe: "Mpanjakan'ny Jiosy." 27 Jiolahy roa no niaraka nohomboan'izy ireo taminy, ny iray teo ankavanany ary ny iray kosa teo ankaviany. 28 [Fanamarihana: Ireo fandikana taloha tsara indrindra dia tsy manisy ny Marka 15:28 hoe: ''Dia tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: 'Natao ho isan'ny mpanota Izy.' (Ampitahao ny Lioka 22:35)] 29 Ireo izay nandalo teo dia naniratsira Azy, nihifikifi-doha ary nanao hoe: "Aha! Ianao ilay afaka mandrava ny tempoly ary manorina izany ao anatin'ny telo andro, 30 vonjeo ny tenanao ary midina avy eo amin'io hazofijaliana io!" 31 Ny lohan'ny mpisorona koa dia naneso Azy tahaka izany, niaraka tamin'ireo mpanora- dalàna,ary niteny hoe: "Namonjy ny hafa Izy, nefa tsy mahavonjy ny tenany. 32 Aoka ilay kristy, ilay Mpanjakan'Israely, hidina avy eo amin'ny hazofijaliana, mba ho hitanay ary hinoanay," ary ireo nohomboana niaraka taminy koa dia naneso Azy. 33 Tamin'ny ora faha-enina, dia tonga teo amin'ny tany rehetra ny aizina hatramin'ny ora fahasivy. 34 Ary tamin'izany ora fahasivy izany dia nihiaka tamin'ny feo mahery Jesosy hoe: "Eloy, Eloy, lamà sabaktany?" izay midika hoe: "Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana Ianao no nahafoy Ahy?" 35 Ny sasany tamin'ireo izay nitsangana teo nandre ny teniny ka niteny hoe: "'Jereo, miantso an'i Elia Izy." 36 Nisy olona iray nihazakazaka, namonto divay marikivy ny sipaonjy, ary nandraikitra izany tamin'ny volotara, dia nanome izany ho sotroiny. Ilay lehilahy nilaza hoe: "Aoka ho hitanay raha ho avy ampidina Azy eo Elia." 37 Avy eo Jesosy nihiaka tamin'ny feo mafy dia maty. 38 Rovitra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny lamban'ny tempoly. 39 Rehefa hitan'ilay kapiteny izay nitsangana sy nifanatrika tamin'i Jesosy fa maty tamin'izany fomba izany Izy, dia hoy Izy hoe: "Tena Zanak'Andriamanitra marina tokoa io lehilahy io." 40 Dia nisy vehivavy koa nijery teny lavitra teny. Isan'izany Maria Magdalena, Maria (renin'i Jakoba zandriny sy Josesy), ary Salome 41 Tamin'Izy tany Galilia dia nanaraka Azy sy nanompo Azy izy ireo. Ary vehivavy maro hafa koa no niara-niakatra taminy tany Jerosalema. 42 Koa rehefa tonga ny hariva, satria Andro Fiomanana, izany hoe, andro mialohan'ny Sabata io, 43 dia tonga teo Josefa avy any Arimatia. Mpikambana hajaina ao amin'ny Synedriona izy, izay niandry ny Fanjakan'Andriamanitra. Nanam-pasahiana izy nankany amin'i Pilato hangataka ny fatin'i Jesosy. 44 Gaga Pilato hoe maty sahady Jesosy; dia nantsoiny ilay kapiteny ary nanontany azy izy raha maty Jesosy. 45 Rehefa nahazo antoka tamin'ilay kapiteny izy fa maty Jesosy, dia nomeny an'i Josefa ny vatana mangatsiaka. 46 Ary Josefa nividy hariry madinika. Nampidina an'i Jesosy teo amin'ny ny hazofijaliana izy, dia namono hariry madinika Azy, ary nametraka Azy tao amin'ny fasana izay nolavahana tao amin'ny vatolampy. Avy eo nanakodia vato teo amin'ny varavaram-pasana izy. 47 Dia hitan'i Maria Magdalena sy Maria renin'i Josesy ny toerana nandevenana Azy.