Toko 1

1 Ity ny fiandohan'ny filazantsaran'i Jesosy Kristy, ilay Zanak'Andriamanitra. 2 Araka izay voasoratra ao amin'Isaia mpaminany hoe: "Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, ilay iray hamboatra ny lalanao. 3 Misy feo re miantso mafy any an'efitra hoe: "Ataovy vonona ny lalan'ny Tompo; ataovy mahitsy ny lalan-kalehany."' 4 Tonga Jaona, nanao batisa tany an'efitra ary nitory ny batisan'ny fibebahana ho amin'ny famelan-keloka nohon'ny ota. 5 Ny tanin'i Jodia rehetra sy ny mponina rehetra ao Jerosalema dia tonga nanatona azy. Nataony batisa tao amin'ny onin'i Jordana izy ireo, rehefa niaiky ny fahotany. 6 Jaona dia nitafy lamba volon-drameva ary nanao fehikibo hoditra teo am-balahany, ary valala sy tantely remby no nohaniny. 7 Nanambara izy hoe: "Misy iray ho avy manaraka ahy izay mahery mihoatra ahy, ary tsy mendrika aho na dia ny hamaha ny fehin-kapany aza. 8 Izaho nanao batisa anareo tamin'ny rano, fa Izy kosa hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina." 9 Tamin'ireo andro nahatongavan'i Jesosy avy any Nazareta tao Galilia no nitranga izany, ary nataon'i Jaona batisa tao amin'ny onin'i Jordana Izy. 10 Raha vao nivoaka ny rano Jesosy, dia hitany nisokatra ny lanitra ary nidina teo aminy tahaka ny voromailala ny Fanahy. 11 Ary nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: "Ianao no Zanako malalako. Ianao no sitrako." 12 Avy eo dia notaomin'ny Fanahy ho any an'efitra Jesosy. 13 Efapolo andro Izy no tany an'efitra, nalain'ny satana fanahy. Nitoetra niaraka tamin'ny bibidia Izy, ary nanompo Azy ireo anjely. 14 Ary rehefa voasambotra Jaona, dia tonga tao Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran' Andriamanitra, 15 ary nilaza hoe: "Efa tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra. Mibebaha dia minoa ny filazantsara." 16 Rehefa nandeha teny amoron-dranomasin'i Galilia Izy, dia nahita an'i Simona sy Andrea rahalahan'i Simona nanarato, satria mpanarato izy ireo. 17 Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Avia, manaraha Ahy, fa ataoko mpanarato olona ianareo." 18 Teo no eo dia namela ny harato izy ireo ka nanaraka Azy. 19 Rehefa nandeha lavidavitra Jesosy, dia nahita an'i Jakoba zanak'i Zebedio sy Jaona rahalahiny; izay tao an-tsambokely namboatra ny harato. 20 Niantso azy ireo Izy ka dia nilaozany tao an-tsambokely avy hatrany Zebedio rainy niaraka tamin'ireo mpikarama, ka nanaraka Azy izy ireo. 21 Avy eo dia tonga tao Kapernaomy izy ireo, ary tamin'ny andro Sabata, dia niditra tao amin'ny synagoga Jesosy ary nampianatra. 22 Talanjona tamin'ny fampianarany izy ireo, satria nampianatra azy ireo toy ny olona manana fahefana Izy fa tsy tahaka ireo mpanora-dalàna. 23 Avy eo nisy lehilahy iray tao amin'ny synagogan'izy ireo izay nanana fanahy maloto nihiaka mafy, 24 nanao hoe: "Inona no hifandraisanay aminao, ry Jesosy avy any Nazareta? Tonga hamotika anay va Ianao? Fantatro hoe iza Ianao. Ianao ilay Masin'Andriamanitra!'' 25 Niteny mafy ny demonia Jesosy ka nanao hoe: "Mangina ary mivoaha aminy!" 26 Ary ilay fanahy maloto nandavo azy sy nivoaka taminy ka niantso tamin'ny feo mahery. 27 Talanjona ny olona rehetra, ka nifanontany izy ireo hoe: "Inona ity? Fampianarana vaovao misy fahefana? Baikoiny na dia ireo fanahy maloto aza ary manaiky Azy izy ireo!" 28 Ny vaovao momba Azy dia niparitaka teny rehetra teny tao amin'ny faritr'i Galilia iray manontolo. 29 Rehefa avy nivoaka ny synagoga, dia tonga tao an-tranon'i Simona sy Andrea izy ireo, niaraka tamin'i Jakoba sy Jaona. 30 Ary ny rafozam-bavin'i Simona nandry nararin'ny tazo, ka nolazain'izy ireo an'i Jesosy ny momba azy. 31 Dia nanatona Izy, ka nandray azy tamin'ny tanany, ary nanarina azy; dia afaka ny tazony, ary nanomboka nanompo azy ireo izy. 32 Tamin'io hariva io, taorian'ny filentehan'ny masoandro, dia nentin'izy ireo teo aminy izay narary rehetra na misy demonia. 33 Tafavory niaraka teo am-baravarana ny tao an-tanàna rehetra. 34 Nanasitrana olona maro izay nararin'ny aretina samihafa Izy ary nandroaka demonia maro, fa tsy navelany hiteny ireo demonia satria nahafantatra Azy izy ireo. 35 Nifoha maraina be Izy, raha mbola maizina ny andro; niala teo Izy ka nandeha tany amin'ny toerana mitokana ary teo Izy no nivavaka. 36 Nitady Azy Simona sy ireo izay niaraka taminy. 37 Nahita Azy izy ireo ary nilaza taminy hoe: "Mitady Anao ny olona rehetra." 38 Hoy Izy hoe: "Andeha isika ho any amin'ny toeran-kafa, any ivelany ao amin'ireo tanàna manodidina, mba hafahako mitory teny any koa. Fa izany no antony nivoahako taty." 39 Dia nitety an'i Galilia manontolo Izy, nitory teny tao amin'ny synagogan'izy ireo sady nandroaka demonia maro. 40 Nisy boka iray tonga teo aminy. Nitalaho taminy izy; nandohalika teo Aminy ary nilaza taminy hoe: "Raha sitrakao, dia afaka manadio ahy Ianao." 41 Onena azy, dia naninjitra ny tanany Jesosy ary nikasika azy, nanao taminy hoe: ''Sitrako. Madiova ianao." 42 Niala taminy avy hatrany ny habokana, ary nadio izy. 43 Nampitandrina mafy azy Jesosy ary nandefa azy. 44 Hoy Izy taminy hoe: "Tandremo tsy hilaza na inona na inona amin'iza na amin'iza ianao, fa mandehana, asehoy amin'ny mpisorona ny tenanao, ary manaova fanatitra nohon'ny fanadiovana anao araka ny nandidian'i Mosesy, mba ho fijoroana vavolombelona ho azy ireo." 45 Fa nivoaka izy ary nanomboka nilaza tamin'ny olona rehetra sy nampiely loatra ny teny ka dia tsy afaka niditra an-kalalahana tany amin'ny tanàna rehetra intsony Jesosy. Ka nitoetra tany ivelany tany amin'ny toerana mitokana Izy ary nanatona Azy ny olona avy amin'ny toerana rehetra.