Marka 5
1
Tode tegne agnilany ranomasina izarô, tiô amin'ny tane Gerasena.
2
Ary ave atrane reefa niala ny sambo bitika Jesosy, de nise lilae reka azon'ny fagnae maloto nagnatogna ananje avy tegne aman'y fasagna.
3
Akegne aman'ny fasagna no tragnon'ny ity lilae ity ka sise olona afaka mamatotra ananje, na de aman'ny tade vy aza.
4
Satria matetika na mise fatorana tade vy aza ny ongone, de voavane fôna izane. Ary sise olona manana erè mamatotra ananje.
5
Na andro na alina de nangekeka sy nandratra ny tegnane tamana vato tao agnaty fasagna sy takegne antavirana tegne ize.
6
Raa naita an'i Jesosy ave tegne alavitra egne ize de ave niankooka tiô ankogony.
7
Ary nangeka taman'ny feo mafy ize: "mifagnino mô zao sy anô, ry Jesosy, Zanak'Andriamanitra ambony indrindra ô? Mangataka anô amin'ny agnaran'Andriamanitra reka Iane aza mampizaly anaa."
8
Ary Jesosy nizaka tamine: "Mialà amin'nio lilae io, ry fagnae maloto."
9
Ary Jesosy nagnadina ananje: "Ive no anaranô?" Ary novaline oe: "tafika no agnarako, ary lalignabe ize.
10
Ary mangataka mafe fôna taminy Ize sy anora aze agne avelagny tanàana.
11
Ary nise andiana lambo nizora tegne antavirana,
12
ary nangataka ny demonia iditra aminio lambo io.
13
De nagneke Jesosy ary nivôka ny fagnae maloto ka niditra tamin'ireo lambo ireo ary de niparitaka andranomasina, tokony roarivo lambo eo eo no nilasaka tagno andranomasina?
14
Ninga nilefa ilay mpiambina ary nizaka ny zavatra nitranga tiô antanana sy takegne rehetra tegne. Ary olona lalignabe agnintigna ny raa niseo.
15
Nagnatogna an'Jesosy zarô ary itany tiô ilae demoniaka nitoetra sara, magnato lamba, vory fagnae (kante) ka de vaka ny olona.
16
Zarô nagnitigna ka naita ny raa nivoaka tamin'ny lilae tiô ambanin'ny faefan'ny demonia de nagnambara taminjarô ny raa nivôka tagne, ary koa momba.
17
De nanomboka niangave an'iJesosy zarô ialane aminy raminy.
18
Ary raa niakatra tiô aminy sambobitika Jesosy fe nangataka tamin'nilay demonia mba andefa ananje iaraka aminy.
19
Sy naneke anefa Jesosyfa oy Ize: "Mode agne andragnonô sy ny avanô ary ambaarô aminjarô zegne natony tompo nandiferany taminô!"
20
De lasa node ize ary nanomboka nagnambara ny zavatra lehibe izae naton'Jesosy taminy tagne Dekapolise, ary magnana ny rehetra.
21
De nande tegne agnilane Jesosy ary indro olona lalignabe nandigne ananje tiô amorondranomasina taminizane.
22
Ary avy ny lebeni synagoga atao oe Jairo ka raa vao naita azy de niankohoka tiô antongone.
23
Ary nizaka taminy oe: "Marare mafe efa ofate ny zanako viave koa miangave re mba ametrao tagnana ize mba ovel."
24
De lasa niaraka tamine Jesosy, ary vaôka laligna be no nagnaraka sy nagnete ananje.
25
Nise anefa viave vôny aretina fahaverezan-dra naaritra roambinifolo tôna.
26
Nizale be tokôtra ize ary nitete fisaboana maro sy nandany fanagnana reetra nefa sy naita faasalamana, fa vômeka aza nararimafe ize.
27
Naregne ny momban'Jesosy ize de nagnatogna ny olona maro mba iisatra ny akanjon'Jesosy.
28
Satria oy ize: "Raa miisatra ny lambany fôgna azza ao de afaka."
29
Reefa niisatra ny lambany ize, de nizanogna ny fahaverezan-dra, ary sapane atrane fa afaka ny aretiny.
30
Niaraka taminizegne de fatan'Jesosy, fa nise ery niala tamananje ary nitodika takagne amin'olona ize ary nagnadina: "Ivino niisatra ny lambako?"
31
De namale anaze ny mpianatra oe: "Itanao io maro be io kanaôna no izakanô oe: "Ive no niisatra tamiko?"
32
Ary nagnintigna ny magnodidigna ananje Ize mba aitane izay nagnano izane.
33
Vaka sady nangorooro ilay viave raa nafantatra izay niseo tamine ize .De nagnatogna tiô antongotry Jesosy ize ary nizaka ny marina reetra.
34
De oy Jesosy tamine: "Ry zaza viave, ni finoanô no naafaka anô. Mandeana aminy fedanana ary afaka amin'ny aretina anô."
35
Raa mbola nizaka Jesosy de nise olona avy tagne andragnon'ilae lehibe ny Synagoga ka nizaka tamine oe: "Mate ny zanakô viave ka naôna no mandreraka ny mpampianatra ndreka?"
36
Nefa Jesosy sy nagnaraka ny zakane fa oy Ize taminy leben'ny Synagoga: "Aza mataotra. Matokisa fôgna iane."
37
Ary sinise navelane iaraka amananje afa sy Petera sy Jakoba ary Jaona ralaine.
38
Raa tonga tagne andragnon'ilay leben'ny Synagoga Jesosy de naita olona lalignabe izay nitomagne sy nalaelo mafe.
39
Niditra Jesosy, de nagnadina: "Magnino no mitomagne sy malaelo anarô? Sy mate ny zaza fa mandre."
40
De nagnarabe Azy izarô nefa naseny Jesosy nivôka ny olona ary nandone niaraka tamanaje ny iabane sy maman'zaza sy ireo mpianane ka niaraka tamananje niditra takô aminy efitragno nise anilay zaza izarô.
41
Noraisin'Jesosy tamin'ny tagnane ankavanana ilay zazavave ary oy Ize: "Talita komi" izany oe: "Razazavave merena."
42
De nisangana niaraka taminizane razazavave ary de magnana izy rehetra.
43
Nosakanan'i Jesosy mafe ny olona mba sioise agnatoro ny zavatra nivôka tiô. Ary nasene nomena raana Razazavave.