Toko faha 66

1 Izao no lazain'i Yaveh hoe: "Ny lanitra no seza fiandrianako, ary ny tany no fitoeran-tongotro, aiza ary ny trano izay haorinao ho Ahy? Aiza ny toerana izay ahafahako miala sasatra? 2 Ny tanako no nanao ireo zavatra rehetra ireo; izany no nahatonga ireny zavatra ireny hisy_izany no fanambaran'i Yaveh. Izao no olona izay ekeko, izay torotoro sy manenina am-panahy, ary izay mangovitra amin'ny teniko. 3 Izay mamono omby dia mamono olona ihany koa; izay manao sorona ny zanak'ondry dia manapaka ny vozon'alika; izay manolotra fanatitra hoanina dia manolotra ràn-kisoa; izay manolotra ditin-kazo manitra ho fahatsiarovana dia misaotra ny faharatsiana. Nisafidy ireo lalany izy ireo, ary naka fahafinaretana tamin'ireo fahavetavetany. 4 Tahaka izany koa no hisafidianako ny famaizana azy ireo ihany; hoentiko eo amin'izy ireo izay hatahorany, satria rehefa niantso Aho, dia tsy nisy namaly; rehefa niteny Aho, dia tsy nisy na iray aza ka nihaino. Nanao izay ratsy teo imasoko izy ireo, ary nisafidy ny hanao izay zavatra nampahatezitra Ahy." 5 Mihainoa ny tenin'i Yaveh, ianao izay mangovitra amin'ny teniny hoe: "Ireo rahalahinao izay mankahala sy manilika anao nohon'ny anarako niteny hoe: 'Aoka homem-boninahitra i Yaveh, dia ahita ny hafalianao Izy,' fa ho menatra izy ireo. 6 Ny feon'ny ady mitabataba dia avy any amin'ny tanàna, feo avy ao amin'ny tempoly, ny feon'i Yaveh mamaly ireo fahavalony. 7 Fony mbola mietsi-jaza izy, dia teraka; mialoahan'ny fanaintainana ho eo aminy, dia niteraka zazalahy izy. 8 Iza no naheno zavatra toy izany? Iza no efa nahita zavatra toy izany? Moa ve ho teraka anaty andro iray ny tany? Afaka hiorina anatin'ny fotoana iray ny firenena? Fony mbola tsy nihetsi-jaza i Ziona, dia efa niteraka ireo zanany. 9 Moa ve mitondra zaza amin'ny fahavononan'ny fahaterahana Aho ka tsy mamela ny zaza ho teraka?_nanontany Yaveh. Na nitondra zaza amin'ny fotoanan'ny fiterahana ka hamerina izany?_manontany Andriamanitrao." 10 Mifalia miaraka amin'i Jerosalema ary mifalia ho azy, ianareo rehetra izay tia azy; mifalia miaraka aminy, ianareo rehetra izay malahelo azy! 11 Fa hitaiza ianao ary ho afapo; hampiononina eo amin'ireo nonony ianao; fa hisotro izany amin'ny hafenoana sy fahafinaretanan'ny voninahiny be ianao. 12 Izao no lazain'i Yaveh: "Handeha hampiely fanambinana manerana azy tahaka ny renirano Aho, ary ny haren'ny firenena ho tahaka ny loharano mitondraka. Hinono amin'ny ilany ianao, ho eo an-tsandriny, ary ho ahindrahindra eo amin'ireo lohaliny. 13 Tahaka ny ankaherezan'ny reny ny zanany, noho hankaherezako anao, ary hankaherezina ianao ao Jerosalema." 14 Hahita izany ianao, dia hifaly ny fonao, ary ny taolanao hitsimoka tahaka ny ahi-maitso. Hampahafantarin'i Yaveh ireo mpanompony ny tanany. Fa hampiseho ny hatezerany hanohitra ireo fahavalony Izy. 15 Fa indro, tonga miaraka amin'ny afo, ary tonga tahaka ny tafio-drivotra ireo kalesiny mba hitondra ny hafanan'ny fahatezerany sy ny fitenenany mafy miaraka amin'ireo lelan'afo. 16 Fa hanao ny fitsarana amin'ny olombelona amin'ny alalan'ny afo sy ny sabany Izy . Ho maro ireo izay hovoavonon'i Yaveh. 17 Manamasina ny tenany sy manadio ny tenany izy ireo, ka afaka miditra ao an-tsaha, manaraka ny iray izay eo afovoany mihinana nofon-kisoa sy ireo zavatra vetaveta tahaka ny voalavo. [Fanamarihana: Ity andininy ity dia tena sarotra, ka ny dikan-teny taty aoriana dia namorona fandikana maro isan-karazany.] "Ho avy amin'ny fiafarana izy ireo_izany no fanambaran'i Yaveh." 18 Fa fantatro ireo asany sy ireo eritreriny. Ho avy ny fotoana rehefa hanangona ireo firenena sy ireo fiteny rehetra Aho. Ho avy izy ireo ary hahita ny voninahitro. [Fanamarihana: Ity andiany ity dia tena sarotra ka ny dikan-teny taty aoriana dia namorona fandikana maro samihafa.] 19 Hametraka famantarana mahery eo amin'izy ireo Aho. Avy eo dia handefa ireo sisa tsy maty avy amin'izy ireo any amin'ireo firenena Aho: Any Tarsisy, Pola, ary Lydia, mpandefa zana-tsipìka izay manenjana ireo tsipìkany, Amin'i Tobala, Javana, ary ireo amoron-tsiraka alavitra izay tsy nahenoan'izy ireo Ahy na nahitany ny voninahitro. Hanambara ny voninahitro manerana ny firenena izy ireo. 20 Hampiverina ireo rahalainao rehetra hivoaka ireo firenena rehetra izy ireo, tahaka ny fanatitra ho an'i Yaveh. Ho avy amin'ny soavaly, sy anatin'ireo kalesy, anatin'ireo filanjana, ambonin'ireo ampondra, ary ambonin'ireo rameva, ho any amin'i Jerosalema tendrombohitro masina_hoy Yaveh. Fa ny vahoakan'i Israely dia hitondra fanatitra vary anaty lovia madio ho ao an-tranon'i Yaveh. 21 Na ny sasany amin' izyireo aza dia hofidiko ho mpisorona sy Levita_hoy Yaveh. 22 Fa tahaka ireo lanitra vaovao sy tany vaovao izay hataoko dia hitoetra eo anatrehako_izao no fanambaran'i Yaveh_ka hitoetra ireo taranakao, ary hitoetra ny anaranao. 23 Fa amin'ny volana iray ka hatramin'ny manaraka, ary ny Sabata iray ka hatramin'ny manaraka, ho avy hiankohoka Amiko ireo olona rehetra_hoy Yaveh. 24 Hivoaka izy ireo ary hahita ireo fatin'olona izay nikomy hanohitra Ahy, fa ny kankana izay mihinana azy ireo dia tsy ho faty, ary ny afo izay handevina azy ireo dia tsy ho voavono; ary ho rikoriko ho an'ny nofo rehetra izany."