Toko faha 61

1 Ato amiko ny Fanahin'ny Tompo Yaveh, satria nanosotra ahy hitory vaovao mahafaly amin'izay ory i Yaveh. Naniraka ahy mba hanasitrana ny marary am-po Izy, mba hanambara fahafahana amin'reo babo, ary fisokafan'ny fonja ho an'ireo izay voafatotra. 2 Naniraka ahy mba hanambara ny taona fankasitrahan'i Yaveh, ny andron'ny valifatin'ny Andriamanintsika, sy mba hampionona an'izay rehetra misaona Izy. 3 Naniraka ahy Izy—mba hanome ho an'ireo izay misaona ao Ziona—mba hanome satroka ho azy ireo fa tsy lavenona, diloilom-pifaliana fa tsy fisaonana, lamba fiderana ho solon'ny faharerahan'ny fanahy, mba hiantsoana azy ireo hoe hazon'ny fahamarinana, ilay nambolen'i Yaveh, mba homem-boninahitra izy. 4 Hanangana ireo rava taloha indray izy ireo; hamerina ireo fandravana teo aloha indray izy ireo. Hamerina ireo tanàna rava indray izy ireo, ireo fandravana tamin'ny taranaka maro teo aloha. 5 Hitsangana ary hamahana an'ireo ondry aman'osinareo ireo vahiny, ary ireo zanaka lahin'ny vahiny hiasa ny sahanareo sy ny tanim-boalobokareo. 6 Ho antsoina hoe mpisoron'i Yaveh ianareo; hiantso anareo hoe mpanompon'ny Andriamanintsika izy ireo. Hihinana ny haren'ireo firenena ianareo, ary hirehareha amin'ny haren'izy ireo. 7 Hahazo avo roa heny ianareo solon'ny henatrareo; ary hifaly amin'ny fizaran'izy ireo ianareo solon'ny fahafaham-baraka. Noho izany izy ireo dia hahazo zara avo roa heny amin'ny tanin'izy ireo; hafaliana mandrakizay no ho azy ireo. 8 Fa Izaho, Yaveh, dia tia ny rariny, ary halako ny fandrobana sy ny herisetra tsy ara-drariny. Hamaly azy ireo am-pahamarinana Aho, ary hanao fanekena mandrakizay amin'izy ireo. 9 Ho fantatra eo amin'ireo firenena ny taranak'izy ireo, ary eo amin'ireo vahoaka ny zanak'izy ireo. Izay rehetra mahita azy ireo dia hanaiky azy ireo, fa izy ireo no vahoaka izay notahin'i Yaveh. 10 Hifaly tanteraka amin'i Yaveh aho; ho ravo ao amin'ny Andriamanitro aho. Fa Izy no nampiankanjo ahy tamin'ireo fitafian'ny famonjena; nampiankanjo ahy tamin'ny akanjo lavan'ny fahamarinana Izy, toy ny mpampankatra mandravaka ny tenany amin'ny satroka, ary toy ny ampankarina mandravaka ny tenany amin'ireo firavany. 11 Fa tahaka ny tany mampitsimoka ny zava-maniry ao aminy, no hampanirian'i Yaveh fahamarinana sy fiderana eo anatrehan'ny firenena rehetra.