Toko faha 44

1 Mihainoa ankehitriny, ry Jakoba mpanompoko, sy ry Israely, izay nofidiako: 2 Izao no lazain'i Yaveh, Izy izay nanao anao sy namolavola anao tao am-bohoka sy izay hamonjy anao hoe: "Aza matahotra, ry Jakoba mpanompoko; sy ianao, ry Jesorona, izay nofidiako. 3 Fa handatsaka rano amin'ny tany mangetana, sy rian-doharano amin'ny tany maina Aho; handatsaka ny Fanahiko amin'ny zanakao Aho, ary ho amin'ireo zanakao ny fitahiako. 4 Hitsimoka eo amin'ny ahitra, tahaka ny hazomalahelo eo akaikin'ny rian-drano izy ireo. 5 Ny iray hiteny hoe: 'An'i Yaveh aho', ary ny hafa hiantso mafy ny anaran'i Jakoba, ary ny hafa hanoratra eo amin'ny tanany hoe: 'An'i Yaveh', ka hiantso ny tenany amin'ny anaran'i Israely.'' 6 Izao no lazain'i Yaveh— ilay Mpanjakan'ny Israely sy Mpanavotra azy, dia Yaveh Tompon'ny maro: "Izaho no voalohany, ary Izaho no farany; ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho. 7 Iza no tahaka Ahy? Aoka izy hilaza izany ka hanazava Amiko ireo zavatra izay nitranga hatramin'ny nanorenako ny vahoakako taloha, ary aoka izy ireo hanambara ireo zavatra ho avy. 8 Aza matahotra na miahiahy. Moa ve Aho tsy efa nanambara taminareo tany aloha tany, ka nilaza izany? Vavolombeloko ianareo: Moa ve misy Andriamanitra afa-tsy Izaho? Tsy misy Vatolampy hafa; tsy mahafantatra na iray aza Aho.'' 9 Ny rehetra izay mamboatra sampy dia tsinontsinona; zava-poana ireo zavatra ankasitrahany; ny vavolombelon'izy ireo dia tsy mahita na mahalala na inona na inona, ary halaim-baraka izy ireo. 10 Iza no hamolavola andriamanitra na hanamboatra sampy izay zava-poana? 11 Indro, ny mpiara-miasa aminy rehetra dia halaim-baraka avokoa; ireo mpanao asa tanana dia olona ihany. Aoka izy ireo hiara-hijoro; hatahotra izy ireo ary halaim-baraka. 12 Ny mpanefy dia miasa amin'ireo fitaovany, mamolavola izany, miasa amin'ny arina. Mamolavola izany amin'ny tantanana ary miasa izany amin'ny sandriny mahery izy. Noana izy, ka mihena ny tanjany, tsy misotro rano izy ka manjary reraka. 13 Mandrefy ny hazo amin'ny fitsipihana ny mpandrafitra, ary misokitra izany amin'ny fandraka. Mamolavola izany amin'ireo fitaovany izy ary manamarika izany amin'ny kompà. Mamolavola izany ho toy ny endrik'olona izy, tahaka ny olombelona manintona, mba hipetraka ao an-trano izany. 14 Manapaka sedera izy, na mifidy hazon-kypreso na hazo terebinta. Maka hazo any an'ala ho azy izy. Mamboly kesika izy ary mampaniry izany ny orana. 15 Dia ampiasain'ny olona hampirehetana afo sy hamindroana izany. Eny, mandrehitra afo izy ka manao mofo. Dia manao andriamanitra amin'izany izy ka miankohoka amin'izany; manao sampy izy ka miankohoka amin'izany. 16 Mandoro ny sasany amin'ny hazo hampirehetana afo izy, mitono ny henany amin'izany. Mihinana izy ka afa-po. Mamindro izy ka manao hoe: "Aha, mafana aho, efa nahita afo aho.'' 17 Amin'ny hazo sisa tavela no anamboarany andriamanitra, ny sariny voasikotra; miankohoka eo amin'izany izy sady manaja izany, ary mivavaka amin'izany manao hoe: "Avoty aho, fa ianao no andriamanitro.'' 18 Tsy mahafantatra, na mahatakatra izy ireo , fa jamba ny mason'izy ireo ka tsy mahita, ary tsy mahalala ny fon'izy ireo. 19 Tsy misy mihevitra, na mahazo izy ireo ka manao hoe: "Efa nandoro ny sasany tamin'ny hazo tao anatin'ny afo aho; eny, efa nanao mofo teo ambonin'ny ariny ihany koa aho. Efa nitono hena teo amin'ny arina aho ka nihinana. Ankehitriny, tokony hanao zavatra maharikoriko amin'ny hazo hafa sasany mba ho tompoina ve aho? Tokony hiankohoka amin'ny vatan-kazo ve aho?'' 20 Tahaka ny hoe mihinana lavenona izy; mampivily azy ny fony voafitaka. Tsy afa-mamonjy ny tenany izy, na manao hoe izy: "Ity zavatra eto an-tanako havanana ity dia andriamani-tsy izy.'' 21 Hevero ny momba ireo zavatra ireo, ry Jakoba, sy ry Israely, fa mpanompoko ianao: efa namolavola anao Aho; mpanompoko ianao: ry Israely, tsy ho adinoko ianao. 22 Novonoiko, tahaka ny raho-matevina, ireo asa fikomianao, ary tahaka ny rahona, ireo fahotanao; miverena Amiko, fa efa nanavotra anao Aho. 23 Mihirà, ianareo ry lanitra, fa Yaveh no nanao izany; mikiaha, ianareo ry halalin'ny tany. Mihobia amin'ny fihirana, ianareo ry tendrombohitra, ianao ry ala mbamin'ny hazo rehetra ao; fa efa navotan'i Yaveh i Jakoba, ka hahita ny voninahiny ao Israely. 24 Izao no lazain'i Yaveh, Mpanavotra anao, Izy izay namolavola anao hatrao am-bohoka: "Izaho no Yaveh, izay nanao ny zavatra rehetra, izay Izaho irery no nanenjana ny lanitra, izay Izaho irery no nanamboatra ny tany. 25 Izaho izay manafoana ny famantaran'ireo mpiteniteny foana sy izay manala-baraka ireo izay mamaky famantarana; Izaho izay mandrava ny fahendren'ny hendry sy manao ny torohevitr'izy ireo ho adalana. 26 Izaho, Yaveh, izay nanamafy ireo tenin'ny mpanompony ary mampandalo ireo faminanian'ireo iraka, izay milaza amin'i Jerosalema hoe: 'Honenana izy', ary an'ireo renivohitr'i Joda hoe: 'Hatsangana indray izy ireo, ary hanarina ny faharavany Aho'; 27 izay milaza amin'ny ranomasina lalina hoe: 'Aoka ho ritra, ary ho ritraiko ireo oninao.' 28 Yaveh Ilay izay miteny an'i Kyrosy hoe: 'Izy no mpiandry ondriko, hanao ny faniriako rehetra Izy, handidy ny amin'i Jerosalema Izy hoe: 'Hatsangana indray izy' ary ny amin'ny tempoly hoe: 'Aoka haorina ireo fototrao.'''