Toko faha 36

1 Tamin'ny taona faha efatra ambin'ny folo nanjakan'i Hezekia mpanjaka, Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, dia nanafika ireo tanàna rehetra mimandan'i Joda ary nambabo azy ireo. 2 Dia nalefan'ny mpanjakan'i Asyria avy any Lakisa ho any Jerosalema ho any amin'i Hezekia mpanjaka ny lehibe mpifehy miaraka amin'ny tafika lehibe. Nampifanantona ny lakan-dranon'ny farihy ambony izy, amin'ny lalam-be mankany amin'ny sahan'ny mpanasa lamba, ary nitsangana tamin'izany. 3 Ny manam-pahefana Israelita izay nivoaka ivelan'ny tanàna mba hiresaka amin'izy ireo dia i Eliakima zanaka lahin'i Hilkia, ny mpandrindra ny lapa, Sebna mpitan-tsoratrin'ny mpanjaka, ary Joa zanaka lahin'i Asafa, izay nanoratra ireo fanapahan-kevitrin'ny governemanta. 4 Niteny tamin'izy ireo ny lehibe manam-pahefana hoe: "Lazao amin'i Hezekia fa ny mpanjaka lehibe, mpanjakan'i Asyria, dia miteny hoe: "Inona ny loharanon'ny tokinareo?" 5 Tsy miteny afa-tsy teny tsy dia ilaina ianareo, milaza fa misy torohevitra sy hery amin'ny ady. Ankehitriny amin'iza no itokianareo? Iza no nankahery anareo hikomy hanohitra ahy? 6 Indro, mahatoky an'i Egypta ianareo, izay volotara misintaka izay ampiasainareo tahaka ny tehina, fa rehefa miantehitra amin'izany ny olona iray, dia hifikitra amin'ny tanany ka handefona azy izany. Tahaka izany i Farao mpanjakan'i Egypta amin'ny olona izay mahatoky azy. 7 Fa raha miteny amiko ianareo hoe: "Mahatoky an'i Yaveh Andriamanitray izahay," tsy azy ve ireo toerana avo sy ireo alitara izay nalain'i Hezekia, ary efa niteny tamin'i Joda sy Jerosalema hoe: "Miankohofa eo anoloan'ity alitara any Jerosalema ity"? 8 Ary ankehitriny, maniry ny hanao fanomezana tsara ho anao avy amin'ny mpanjakan'i Asyria aho. Hanome anao soavaly roa arivo aho, raha toa ka mahavita mitady mpitaingina ho azy ireo ianao." 9 Ahoana no ahafahanao manohitra na ny kapiteny iray izay kely indrindra amin'ny mpanompon'ny tompoko? Nametraka ny fahatokisanareo tamin'i Egypta noho ireo kalesy sy ireo mpitaingin-tsoavaly ianareo! 10 Ary ankehitriny, moa nandeha taty tsy niaraka tamin'i Yaveh mba hiady hanohitra ity tany ity sy handrava izany ve aho? Hoy Yaveh tamiko,"manafia ity tany ity ary ravao izany."" 11 Ary Eliakima zanaka lahin'i Hilkia, sy Sebna, ary Joa niteny tamin'ny lehibe manam-pahefana hoe: "Mitenena re amin'ireo mpanomponao amin'ny fiteny Syriana, Aramaika, mba hahazoanay izany. Aza miresaka aminay amin'ny fitenin'i Joda eo an-tsofin'ireo vahoaka izay ao amin'ny manda." 12 Fa hoy ny lehibe manam-pahefana: "Moa nandefa ahy mba hiteny ireo teny ireo ho any amin'ny tomponao sy ho any aminao ve ny tompoko? Tsy nandefa ahy ho any amin'ireo lehilahy izay mipetraka eo amin'ny manda izy, izay hihinana ny malotony ihany sy hisotro ny amaniny ihany miaraka aminao?" 13 Ary nitsangana ny lehibe manam-pahefana ary nihiaka tamin'ny feo mafy tamin'ny fiteny Jiosy, miteny hoe: "Mihainoa ny tenin'ny mpanjaka lehibe, mpanjakan'i Asyria. 14 Hoy ny mpanjaka: "Aza mety hofitahin'i Hezekia ianao, fa tsy afaka ny hanavotra anao izy. 15 Aza avela hampatokian'i Hezekia amin'i Yaveh ianao, izay miteny hoe; "Hamonjy anay tokoa i Yaveh, tsy homena ho eo an-tanan'ny mpanjakan'ny Asyria ity tanàna ity. 16 Aza mihaino an'i Hezekia fa izao no lazain'ny mpanjakan'i Asyria: "Mihavana amiko ary manatona ahy. Ary ny tsirairay aminareo dia hihinana avy amin'ny voalobony sy avy amin'ny hazo aviaviny ihany, ary hisotro ny rano ao anatin'ny fitoeran-dranony ihany. 17 Izany no ataonareo ambara-pahatongako sy hakako anareo ho any amin'ny tany tahaka ny taninareo ihany, tanin'ny vary sy tanin'ny divay vaovao, tanin'ny mofo sy tanim-boaloboka." 18 Aza mamela an'i Hezekia hamitaka anareo, miteny hoe: "Yaveh no hamonjy atsika". Moa nisy tamin'ireo andriamanitrin'ny vahoaka ve ka nahavonjy azy ireo avy eo an-tanan'ny mpanjakan'i Asyria? 19 Aiza ireo andriamanitr'i Hamata sy Arpada? Ary aiza ihany koa ireo andriamanitr'i Sefarvaima? Moa ve nahavonjy an'i Samaria tamin'ny heriko izy ireo? 20 Tamin'ireo andriamanitra rehetra teto amin'ny tany, moa nisy andriamanitra nahavonjy ny taniny tamin'ny heriko ve? Tahaka ny hoe afaka mamonjy an'i Jerosalema amin'ny heriko ve i Yaveh? 21 Fa ny vahoaka nijanona nangina ary tsy nisy namaly, fa izany no didin'ny mpanjaka hoe: "Aza mamaly azy." 22 Ary i Eliakima zanaka lahin'i Hilkia izay lehiben'ny ankohonana, sy Sebma mpanora-dalàna, ary Joa zanaka lahin'i Asafa, mpitàna ny raharaham-panjakana, dia nanatona an'i Hezekia miaraka amin'ireo akanjony rovitra, ary nitatitra taminy ireo tenin'ny lehibe manam-pahefana.