Toko faha 23

1 Ny fanambarana momba an'i Tyro: Midradradradrà, ianareo ry sambon'i Tarsisy; fa tsy misy na trano na seranana; avy tao amin'ny tanin'i Sipra no nanambarana izany tamin'izy ireo. [Fanamarihana: Raha tokony hoe: "Sipra'', ireo dikan-teny sasany vaovao mitazona hoe ''Kitima'', anarana hebreo ho an'izany nosy izany.] Mangìna, ianareo ry mponin'ny morontsiraka; fa ny mpivarotra ao Sidona, izay miatsambo amin'ny ranomasina, dia efa nameno anareo. [Fanamarihana: Ireo dikan-teny sasany taloha sy ankehitriny manao hoe: 2 "Mangìna, ianareo ry mponin'ny morontsiraka, dia ireo mpivarotra ao Sidona, izay miatsambo ambonin'ny ranomasina, dia efa nameno anareo'' na ''Mangìna, ianareo ry mponin'ny moron-tsiraka sy ianareo mpivarotra ao Sidona izay nofenoin'ireo izay miatsambo ambonin'ny ranomasina'''] 3 Teo ambonin'ireo rano lehibe no nisy ny varin'i Sihora, ny vokatr'i Neily no vokany; ka tonga varotra ho an'ireo firenena izany. 4 Aoka ho menatra, ry Sidona; fa efa niteny ny ranomasina, dia ilay mahery amin'ny ranomasina. Hoy izy: "Tsy mbola nihetsi-jaza aho na niteraka, na nanangana zatovolahy na nitaiza zatovovavy.'' 5 Ka rehefa tonga any Egypta ny tatitra, dia halahelo mahakasika an'i Tyro izy ireo. 6 Miampità an'i Tarsisy; midradradradrà, ianareo ry mponin'ny morontsiraka. 7 Moa ve nitranga taminao izany, ry tanàna faly, izay avy amin'ireo fotoana taloha no niandohany, izay nentin'ny tongony lavitra any amin'ireo toerana vahiny mba hitoerana? 8 Iza no nikasa izany hanoherana an'i Tyro, ilay mpanome ireo satro-boninahitra, izay ny mpivarotra dia andrian-dahy, izay ny mpanakalo dia ireo olona manam-boninahitra amin'ny tany? 9 Yaveh Tompon'ny maro efa nikasa izany mba hanala baraka ny fiavonavonany sy ny voninahiny rehetra, mba hampamenatra ireo olony manam-boninahitra rehetra amin'ny tany. 10 Asao ny taninao, tahaka ny iasan'ny olona an'i Neily, ry zanakavavin'i Tarsisy. Tsy misy tsena intsony ao Tyro. [Fanamarihana: Raha tokony hoe: ''Asao ny taninao'', ireo dikan-teny sasany manao hoe: Mamakivakia ny taninao'' na ''Ataovy tondraka ny taninao''.] 11 Efa naninjitra ny tanany teo ambonin'ny ranomasina Yaveh, ary efa nanozongozona ireo fanjakana Izy; efa nanome baiko nahakasika an'i Fenisia, mba handrava ireo fiarovana mafy Izy. 12 Hoy Izy: "Tsy hifaly intsony ianao, ry virijiny ory zanakavavin'i Sidona; mitsangàna; miampità ho any Sipra; nefa na dia any aza dia tsy hanam-pitsaharana ianao.'' 13 Jereo ny tanin'ireo Kaldeana. Efa tsy nisy intsony ireo vahoaka tao; efa nanao izany ho efitra ho an'ireo bibidia ireo Asyriana. Efa nanangana ireo tilikambony izy ireo; noravainy ireo lapan'izany; nataony ho antontam-paharavana izany. 14 Midradradradrà, ianareo ry sambon'i Tarsisy; fa efa noravana ny fialofanareo. 15 Amin'izany andro izany, dia ho adino mandritra ny fito taona i Tyro, tahaka ireo andron'ny mpanjaka. Aorian'ny faran'ny fito taona dia hisy zavatra tahaka ny ao amin'ny hiran'ny mpijangajanga hitranga ao Tyro. 16 Makà harpa, mandehandehana any amin'ny tanàna, ianao ry mpijangajanga nohadinoina; tendreo tsara izany, mihirà hira maro, mba ho tsaroana ianao. 17 Ary aorian'ny fito taona, dia hamonjy an'i Tyro Yaveh, ka hanomboka hitady vola amin'ny fanaovana ny asan'ny mpijangajanga indray izy, ary hiasa ho an'ny fanjakan'ny tany rehetra. 18 Hatokana ho an'i Yaveh ny tombony sy ny fananany. Tsy ho tehirizina na ho angonina ao amin'ny firaiketana ireo, fa ny tombony dia homena ireo izay mitoetra eo amin'ny fanatrehan'i Yaveh ary ho ampiasaina mba hamatsy azy ireo amin'ny sakafo tondraka sy mba ahafahan'izy ireo mahazo ny akanjo tsara kalitao indrindra.