Toko faha 21

1 Fanambarana momban'ny tany efitra amoron-dranomasina. Tahaka ny tadio mamakivaky an'i Negeva no hiavian'izany mandalo avy any an'efitra, avy any amin'ny tany loza. 2 Fahitana mahatsiravina no nomena ahy: ilay lehilahy mpamitaka dia namitaka, ary ny mpandrava dia nandrava. Miakara ary tafio, ry Elama; ataovy fahirano, ry Mediana; hampitsahatra ny tarainany rehetra Aho. 3 Noho izany dia feno fanaintainana ny valahako; fanaintainana tahaka ny fanaintainan'ny vehivavy miteraka no namatotra ahy; niankohoka noho ilay zavatra reko aho; nikorontana tamin'ny zavatra hitako aho. 4 Torotoro ny foko, mangovitry ny tahotra aho. Ny hariva, fotoana ankafiziko anatin'ny andro, dia nitondra horohoro ho ahy. 5 Nanomana ny latabatra izy ireo, novelarin'izy ireo ny lamba firakotra ka nihinana sy nisotro; mitsangàna, ry andriandahy, osory diloilo ny ampinganareo. 6 Fa izao no nolazain'ny Tompo tamiko hoe: "Mandehana, mametraha lehilahy mpiambina iray; tsy maintsy mitatitra izay hitany izy. 7 Rehefa mahita kalesy, mpitaingi-tsoavaly roa, mpitaingina boriky, ary mpitaingina kamela izy, dia tokony handinika sy ho mailomailo." 8 Nitaraina ilay lehilahy mpiambina hoe: [Fanamarihana: Raha tokony hoe "Niantso mafy izy" dia ny sasany amin'ireo dika-teny taloha manao hoe: "Nisy liona niantso mafy"] "Ry Tompo, teo amin'ny tilikambo fihambenana aho dia nijoro nandritry ny iray andro tontolo, isan'andro, ary teo amin'ny toeram-pitiliko no nijoroko nandritry ny alina manontolo." 9 Indro tamy ny kalesy iray miaraka amin'ny lehilahy iray sy mpitaingin-tsovaly roa. Niantso mafy izy nanao hoe: "Efa rava Babylona, rava, ary ireo sary vongan'ny andriamaniny rehetra dia potika amin'ny tany." 10 Ry novelesina sy nosivaniko, zanaky ny trano fitotom-bariko! Izay reko tamin'i Yaveh tompon'ny maro, ilay Andriamanitr'Israely, efa nambarako taminareo. 11 Fanambarana momban'i Edoma. Nisy iray niantso ahy avy any Seira hoe: "Ry mpiambina, rahoviana no hifarana ny alina? Ry mpiambina, rahoviana no hifarana ny alina? 12 Hoy ilay mpiambina hoe: "Ho avy ny maraina ary ny alina ihany koa. Raha maniry ny anontany ianao, dia manontania; ary miverena indray." 13 Fanambarana momban'i Arabia. Any amin'ny tany efitr'i Arabia no andanianareo ny alina, ry andian-Dedanita. 14 Mitondrà rano ho an'ny mangetaheta; ry mponina ao amin'ny tanin'i Tema, tsenao amin'ny mofo ireo mpitsoaha-ponenana. 15 Fa izy ireo dia nandositra ny sabatra, tamin'ny sabatra voarendrika, tamin'ny tsipika voahenjana, ary tamin'ny vesatry ny ady. 16 Fa izao no nolazain'ny Tompo tamiko hoe: "Ao anatin'ny taona iray, tahaka ny hitan'ny mpiasa tany nokaramaina mandritry ny taona, dia hifarana ny voninahitr'i Kedara rehetra. 17 Mpandefa tsipíka, lehilahy mpiadin'i Kedara vitsy sisa no ho tavela," satria Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, no efa niteny.