Toko faha 17

1 Fanambarana momba an'i Damaskosy. 2 Hafoy ireo tanànan'i Aroera. Ho toerana handrian'ny biby fiompy ireny, ary tsy hisy hampitahotra azy ireo. 3 Hanjavona tsy ho ao Efraima, ilay fanjakana avy any Damaskosy, ary ilay sisa tavelan'i Arama ireo tanàna voaaro—ho tahaka ny voninahitry ny vahoakan'Israely ireo—izany no fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro. 4 Ary amin'izany andro izany dia ho bitika ny voninahitr'i Jakoba, ary hanjary hahia ny fahatavezan'ny nofony. 5 Ho takaka ny amin'ny fanangonan'ny mpinjinja ny vary an-tahony izany, ary ny sandriny mijinja ny salohim-bary. Ho tahaka ny amin'ny fanotazan'ny olona iray ny salohim-bary eny amin'ny Lohasahan'ny Refaima izany. 6 Hisy sisa voaagona ho tavela, kanefa, ho tahaka ny amin'ny fihozongozonan'ny hazon'oliva: misy oliva roa na telo eo amin'ny rantsany ambony indrindra, efatra na dimy eo amin'ny sampany avo indrindra amin'ny hazo mamoa—izany no fanambaran'i Yaveh, Andriamanitr'Israely. 7 Amin'izany andro izany dia hitodika amin'ny Mpahary azy ny olona, ary ny masony hijery ny Iray Masin'Israely. 8 Tsy hijery ny alitara izy ireo, izay asan'ny tanan'izy ireo, na hijery izay nataon'ny ratsan-tanany, dia ny baon'Aseraha na ireo sary masoandro. 9 Amin'izany andro izany dia ho tahaka ny bao hazo nafoy eny amin'ny tendron'ny havoana ny tanàna mafy orin'izy ireo, izay nafoy noho ireo vahoakan'Israely ary hanjary ho lao izany. 10 Fa nanadino ny Andriamanitry ny famonjenareo ianareo, ary nodianareo fanina ny vatolampin'ny herinareo. Koa mamboly zava-maniry mahafinaritra ianareo, ary mametraka tahom-boaloboka voaray avy tamin'ny vahiny, 11 amin'ny andro hambolenareo, sy hamefenareo, sy hampanirianareo. Tsy ho ela dia haniry ny voanareo, saingy tsy hahavanona ny vokatrareo amin'ny andro fahoriana sy alahelo mafy. 12 Loza! Ny fikomian'ny olona maro, izany mierona tahaka ny fieron'ny ranomasina, ary ny fisafoaky ny firenena, izay mifaoka tahaka ny fipaokan'ny rano mahery! 13 Hierona tahaka ny fipaokan'ny rano maro ireo firenena, saingy hibedy azy ireo mafy Andriamanitra. Handositra lavitra izy ireo ary hazaina tahaka ny ahi-dratsy tsofin'ny rivotra eny amin'ny tendrombohitra, ary tahaka ny ahi-drasty ahodikodin'ny tafiotra. 14 Amin'ny hariva, indro, ny horohoro! Mialohan'ny maraina dia ho dify ireo! Izany no anjaran'ireo izay mambabo antsika, ny amboaran'ireo izay mandroba antsika.