Toko faha 12

1 Amin'izany andro izany dia hilaza ianao hoe:" Hanatitra fisaorana ho Anao aho, ry Yaveh. Fa na tezitra tamiko aza Ianao, dia niodina ny fahatezeranao, ary nankahery ahy Ianao. 2 Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; hatoky aho ary tsy hatahotra, fa Yaveh, eny, Yaveh no heriko sy hirako. Izy no tonga famonjena ahy." 3 Amin-kafaliana no hisintomanao rano avy amin'ny loharanon'ny famonjena. 4 Amin'izany andro izany no hilazanao hoe:" Manatera fisaorana ho an'i Yaveh ary miantsoa ny Anarany; ambarao amin'ny olona ireo asany, ambarao fa nasandratra ny Anarany." 5 MihirĂ  ho an'i Yaveh, fa nanao zavatra be voninahitra Izy, aoka ho fantatra manerana ny tany izany. 6 Miantsoa mafy ary mihiakiaha fifaliana, ianao ry mponin'i Ziona, fa lehibe eo afovoanao ny Iray Masin'Israely."