Toko faha 10

1 Loza ho an'ireo izay manao lalàna tsy araka ny hitsiny ary manoratra didy tsy ara-drariny. 2 Tsy manome rariny ireo mila fanampiana izy ireo, mandroba ny oloko mahantra amin'ny zony izy ireo, mandroba ireo mpitondratena, ary manao ireo kamboty ho hazan'izy ireo! 3 Inona no hataonao amin'ny andro fitsarana rehefa ho tonga avy lavitra ny faharavana? Amin'iza ianao no hitady fanampiana, ary aiza no hamelanao ireo harenanao? 4 Tsy hisy na inona na inona ho tavela, ary hitampify eo amin'ireo gadra ianao na ho lavo eo amin'ireo maty. Amin'ireo zavatra rehetra ireo, dia tsy hihena ny hatezerany; fa kosa, ny tanany dia mbola mihinjitra hatrany. 5 Loza ho an'ireo Asyriana, ny tsorakazon'ny fahatezerako, tsorakazo izay hitondrako ny fahavinirako! 6 Alefako hanohitra firenena miavonavona sy hanohitra ny vahoaka izay mizaka ny hatezerako manafotra izy. Mandidy azy haka ny babo, haka ny haza, ary hanitsaka ireo tahaka ny fotaka eny amin'ireo lalana Aho. 7 Kanefa tsy izany no kasainy, na hoe mihevitra toy izany izy. Ao am-pony izany hoe handrava sy handringana firenena maro izany. 8 Fa hoy izy hoe: "Moa tsy mpanjaka avokoa ve ireo andrian-dahiko rehetra?" 9 Tsy tahaka an'i Karkemisy ve i Kalno? Tsy tahaka an'i Arpada ve i Hamata? Tsy tahaka an'i Damaskosy ve i Samaria? 10 Tahaka ny nandresen'ny tanako ireo fanjakana mpanompo sampy, izay ireo sarin-javatra sokitr'izy ireo dia lehibe kokoa noho ireo an'i Jerosalema sy Samaria, 11 tahaka izay nataoko tany Samaria sy ireo sampy zava-poany, moa tsy hanao toy izany amin'i Jerosalema sy ireo sampiny ihany koa ve aho?" 12 Rehefa nahavita ny asany teo amin'ny Tendrombohitra Ziona sy tao Jerosalema ny Tompo, dia hanasazy ny tenin'ny fo miavonavon'ny mpanjakan'i Asyria sy ny fijery feno avonavony Aho. 13 Fa izy niteny hoe: "Amin'ny alalan'ny tanjako sy ny fahendreko no hiasako." Manana fahazavan-tsaina aho, ary efa nanala ny fefin'ireo vahoaka. Efa nangalariko ny haren'izy ireo, ary tahaka ny ombilahy no nampidinako ireo mponina. 14 Toy ny fisamborana avy ao amin'ny akany, no nakan'ny tanako ireo haren'ny firenena, ary tahaka ny fanangonan'ilay iray ireo atody nilaozana, no hanangonako ny tany rehetra. Tsy nisy nanakopakopaka ny elany izy ireo na nanokatra ny vavany na nihiakiaka." 15 Moa ve ny famaky hirehareha momba ny tenany amin'ilay iray izay mampiasa izany? Moa ve ny tsofa hidera bebe kokoa ny tenany noho ilay iray izay manapaka amin'ny alalan'izany? Izany dia tahaka ny hoe: tsorakazo iray izay afaka miainga amin'ireo izay manainga izany na toy ny hoe afaka manainga olona ilay tsorakazo. 16 Noho izany dia handefa fahiazana eo amin'ireo mpiadiny sangany i Yaveh Tompo tompon'ny maro; ary eo ambanin'ny voninahiny dia hisy firehetana tahaka ny afo mirehitra. 17 Ho tonga afo ny fahazavan'Israely, ary ilay Iray Masiny ho lelan'afo; handoro sy handevona ireo tsilony ao anatin'ny iray andro monja izany. 18 Yaveh dia hanimba ny voninahitry ny alany sy ny taniny mamokatra, dia ny fanahin'izany sy ny vatan'izany; ho tahaka ny ain'ny olona marary miha-osa izany. 19 Ho vitsy ireo sisa tavela amin'ireo hazon'ny alany, ka na ny zaza aza afaka hanisa ireo. 20 Amin'izany andro izany, ireo Israely sisa, ireo fianakavian'i Jakoba izay nitsoaka, dia tsy hiantehitra amin'ilay iray izay nandresy azy ireo intsony, fa hiankina amin'i Yaveh tokoa, dia ilay Iray Masin'Israely. 21 Izay tavela amin'i Jakoba dia hiverina any amin'ilay Andriamanitra mahery. 22 Fa na ny olonao aza, ry Israely, dia tahaka ny tora-pasika eny amoron-dranomasina, izay sisa tavela amin'izy ireo ihany no hiverina. Notendrena ny faharavana, araka ny fangatahana manafotry ny fahamarinana. 23 Fa i Yaveh Tompo tompon'ny maro, dia eo an-dalam-pitondrana ny faharavana izay notendrena manerana ny tany. 24 Noho izany i Yaveh Tompo tompon'ny maro milaza hoe: "Ry vahoakako izay mipetraka ao Ziona, aza matahotra ireo Asyriana." Hamely anao amin'ny tsorakazo izy, ary hanangana ny tehiny aminao, araka izay nataon'ireo Egyptiana. 25 Aza matahotra azy, fa afaka fotoana fohy dia hifarana ny hatezerako aminao, ary hitarika ny faharavany ny hatezerako." 26 Ary i Yaveh tompon'ny maro dia hanainga ny karavasiny amin'izy ireo, toy ny tamin'ny nandreseny an'i Midiana teo am-batolampy Oreba. Hanainga ny rantsan-kazony eo amin'ny ranomasina Izy ary hanainga izany toy ny nataony tao Egypta. 27 Amin'izany andro izany, ny vesany dia hiainga avy eo amin'ny sorokao ary ny ziogany avy eo amin'ny vozonao. Ary ny zioga dia ho rava nohon'ny hatavezana. (Fanamarihana: Ny andalana farany amin'ity andininy ity dia sarotra satria tahaka ny hoe tsy mifanaraka amin'ny foto-kevitra io. Ny dikan-teny sasany vaovao dia manala ny hoe: "nohon'ny hatavezana". Ny dikan-teny vaovao hafa dia misy hoe: "ary ny zioga dia ho rava avy eo amin'ny vozonao. Niakatra any Rimona izy." Eto ny hoe: "Izy" dia midika hoe: mpanjaka Asyriana sy ny tafiny.) 28 Tonga tao Aiata ny fahavalo ary nandalo an'i Migrona; tany Mikmasy no nitehirizany ireo vatsiny. 29 Niampita tamin'ny fandalovana izy ireo ary nitoetra tao Geba. Nihovitrovitra i Rama ary nandositra i Gibean'i Saoly. 30 Mikiakiaha mafy, ry zanaka vavin'i Galima! Aoka ho liana, ry Laisy! Indrisy ry Anatota mahantra. 31 Mandositra i Madmena, ary ireo mponin'i Gebima dia mihazakazaka ho amin'ny fiarovana. 32 Amin'io andro io mihitsy no hijanona ao Noba izy ka hamokona ny totohondriny any an-tendrombohitry ny zanaka vavin'i Ziona, ilay havoan'i Jerosalema. 33 Indro, ilay Yaveh Tompo tompon'ny maro hampianjera ny sampana amin'ny fianjerana mahatsiravina; ireo hazo lava indrindra dia hotapahana, ary izay avo dia hafohezina. 34 Hamaky ireo matevina indrindra amin'ny ala amin'ny famaky izy, ary i Libanona dia hianjera amin'ny fiandrianany.