Toko faha 3

1 Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana agny Sardisy hoe : Karan'izao raha nizakain'ny managna ny Fanahy fiton'Andriamanitra mban'ny kintagna fito. "Fantako raha nataonao, malaza ho velogna anao, nefa anao de maty." 2 Mifohaza de amboary tsara zegny sisa tavela, fa efa ho faty, satria tsy hitako tanteraka eo anatrehan'Andriamanitra ny asanao 3 Noho izany, de tadidio tsara zegny niresinareo sy zegny regninareo. Ekeo aby , de mivaloza. Fa ndreka tsy miambogna anareo, de ho tonga tampoka kara mpangalatra Aho, sady tsy fantanareo ny lera hahatongavako aminareo. 4 Fa misy agnaran'olona vitsivitsy agny Sardisy zay tsy nandoto ny akanjony. Handeha hiaraka aminaha magnatao lamba fotsy iary zareo, satria mendrika. 5 Ndregny raika maharesy de ho ampagnatofaina akanjo fotsy, sady tsy hofafako amin'ny bokin'ny Fiaignana mintsy ny agnarany, sady hozakaiko eo agnatrehan'ny Abako ny agnarany, de agnatrehan'ny anjelny koa. 6 Zegny manan-tadigny de aoka mba hiteno gny raha zakain'ny Fanahy amin'ny mpivavaka. 7 De soraty ho an'ny mpinon'ny fiangonana agny Filadelfia hoe :"Karan'izao gny raha nizakain'ny zegny masina sady marina_ Izy no mitana ny lakilen'i Davida, Izy my koa no mamoha de tsisy afaka magnidy ndre iza ndre iza, Izy aby koa magnidy de tsisy afaka mamoha ndre iza ndre iza. Fantako raha vitanareo. Sady efa nametrahako varangaragna mivoha eo alohanareo ka tsy afaka ahidin'iza n'iza. 8 Fantako koa fa managna hery bitaka anareo, fa nagneky ny raha nizakaiko sady tsy nandà ny agnarako. 9 Igny an! Zegny mpiasan'ny devoly mizaka fa Jiosy azareo de mametsy aby fa tsy izy zany azaro. Hataoko tonga hiankohoka an-tongotranao iary zareo, ka de hofantan'iary zareo fa nitia anao Aho. 10 Satria efa nitandrigna ny raha nizakaiko tamin'ny faharetana anareo, de harovako amin'ny andro fitsapana zay efa hotoga amin'izao tontolo izao, mba hitsapana an'ny ndregny mipetraka ambonin'ny tany. 11 Ho tonga tsy ho ela Aho. ka tano tsara zegny hanagnanao mba tsy hisy hangalaka ny satro-boninahitrao. 12 Ndregny mandresy de atoko andry amin'ny tempolin'Andriamanitrako, ka tsy hiala eo mintsy izy. Sady hosoratako amin'ny agnaran'Andriamanitrako ny agnaran'ny tanànan'Andriamanitrako (de jerosalema vaovao, zay mandrorogna avy agny an-danitra avy amin'Andriamaitrako), mban'ny agnarako vaovao. 13 Zegny manan-tadigny de aoka mba hiteno gny raha raha zakain'ny Fanahy amin'ny mpivavaka. 14 De soraty ho an'ny mpinon'ny fiangonana agny Laodika hoe : "Karan'izao gny raha nizakain'i Amena, lay vavolombelona matoky sady marina, lay mpanapaka ny zava-boarin'Andriamanitra. 15 Fantako raha namboarinareo, fa anareo de tsy mangatseka sady tsy mafana. Iriko de mba ho mangatseka na mafana anareo! 16 Satri anareo de matimaty fa tsy mafana sady tsy mangatseka de efa haloan'ny vavako sahady anareo. 17 De izaka anareo hoe :"Manan-karena aho, sady nanagna raha marobe, ka tsy miaragna na ino na ino koa."Kanefa de tsy fantanareo fa anareo de tena mijaly, mampalahelo, mahantra, tsy mahita sady mitanjaka. 18 Tenoy torohevitrako : mividiana volamena voadio tamin'ny afo amianaha mba ho lasa mpanan-karena anareo, de akanjo fotsy mamirapiratra mba ho afaka mampagnatao akanjo ny tegnanareo anareo ka tsy hisehoan'ny hegnatran'ny fitanjahanareo, de hagnosotra ny masonareo mba hahitra anareo. 19 Ndregny teko de ampiofaniko sady, hampenariko an'iary zareo aby ny fomba ndregny tokony hiaignan'iary zareo. Ka amin'izany de mazotoa sadymivaloza. 20 Igny Aho, mijoro ambarangaragna sady mampepeka.Ka zegny maregny ny feoko sady mamoha ny farangaragna, de ho tonga andragnony agny aho sady hiaraka hihinagna aminazy, de izy koa miaraka aminaha. 21 Ndregny raika mandresy, de homena anazy ny zo hipetraka miaraka aminaha eo amin'ny seza fiandrianako, karan'ny nandreseko koa sy nipetrahako tamin'ny Abako tamin'ny seza fiandrianana. 22 Zegny manan-tadigny de aoka mba hiteno gny raha zakain'ny Fanahy amin'ny mpivavaka.