Toko 1

1 Itiky ny fagnambarana an'i Jesôsy Kristy zay nomen'Andriamanitra an'azy hampisehoana an'iregny irakany ny amin'ny raha marobe tsy mentsy hiseho. nampafantarany zany tamin'ny alalan'ny fandefany ny anjeliny ho an'i Jaona irakany. 2 Jaona de nagnamarina ny mikasika ny tenin'Andriamanitra sy iregny fijoroana vavolombelona mikasika an'i Jesôsy Kristy, amin'ny raha marobe zay hitany. 3 Sambatra ny olona zay mamaky mafy be, sy miteno ny zaka ity faminaniana ity, sady mitandrina zay vôsoratra ato agnatiny, satria efa akeky ny fotôna. 4 Jaona nandea agny amin'iregny fiangonana fito tagny Asia: Ho aminareo ane ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'ny niany, sy taloha, ary ho avy, sady avy amin'iregny fanahy fito zay eo alohan'ny seza fipetrahany, 5 ary avy amin'i Jesôsy Kristy, zay vavolombelona marina, lahimatoa amin'ny maty, sady leiben'ny mpanjakan'ny tany. Ho an'i tia antsena sady nagnafaka antsena tamin'iregny fahotantsena tamin'ny ràny. 6 Izy de nagnano antsena ho fanjakana, mpisorona ho an'Andriamanitrany sy Iabany ho an'Azy ane ny voninahitra sy ny fahefana mandrakizay doria. Amena. 7 Igny, avy amin'ny rahogna Izy; de ny maso marobe ahita an'Azy, na de iregny nandefogna an'Azy aza. Ny firenena marobe ambony tany hitomagny an'Azy. Aika, Amena. 8 "Zaho no Alfa sy Omega," zakain'ny Tompo Andriamanitra, "De ny niany, sy taloha , ary ny ho avy, de ny Tsitoha." (Fagnamarinana: ny dikan-teny hafa taloha de mivaky ôtrany zao: "Zaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy fiafarana," zakain'ny Tompo Andriamanitra. 9 Zaho, Jaona rahalahinareo sy raika zay nizara taminareo tagnatin'ny fijalena sy fanjakana sady faharetana ao amin'i Jesôsy Kristy de tagny amin'ny nosy atao hoe Patmô nony tenin' Andriamanitra sy ny fijoroana vavolombelona ny mikasika an'i Jesôsy. 10 Zaho de nitaritin'ny Fanahy tamin'ny andron'ny Tompo. Naregny feo mafy ôtran'ny trompetra tafarako zaho. 11 Nagnano an'zany hoe: "Soraty amin'ny boky zay hitanao, ka alefaso agny amin'iregny fiangonana fito ho an'ny Efesôsy, Smyrna, Pergamôsy, Tyatira, Sardisy, Filadelfia, de Laodikia." 12 Nijery an'ny magnodidigna zaho niaragna hoe feon'iza zany mizaka aminaha zany, ka ndreka nitodika zaho de nahita fasiana jiro volamena fito. 13 Ka tantegnategn'ny fasiana jiro nisy raika mitovy amin'ny Zanak'olona, nagnatao akanjo lava tonga hatragny amin'ny tongotrany, de fehin-kibo volamena magnodidigna ny tratrany. 14 Ny lohany sy ny randrany de fotsy kara ny volona ondry, fotsy ôtrany rano mandry, sady ny masony kara ny lelan'afo. 15 Ny tongotrany magnaragnaragna ôtrany varahigna, mitovy amin'ny varahigna vôdio tamin'ny lafôro, ka ny feony kara feona rano be mikororoka. 16 De nanagna kintana fito tegny an-tàgnany ankavana Izy, ka sabatra roy lela maragnitra nivoaka tamin'ny vavany. Ny tarehiny de nazava ôtrany masoandro ndreka mirehitra. 17 Ndreka nahita an'Azy zaho, de lavo tamin'ny tongotrany kara olona maty. Nikasika anaha tamin'ny tàgnany ankavanana Izy ka nagnano hoe: "Aza matahotra. Zaho no vôlohany sady farany, 18 de i raika zay velona. Efa maty zaho, fa, velona ndreka mandrakizay! Ka Zaho managna ny laklen'ny fahafatesana sy ny Fiaignanan-kôtra. 19 Nony zany de soraty zay hitanao, ny amin'zao, sy zay hiseho afaran'zao. 20 Kara ny raha tsy fantatra mikasika an'iregny kintana fito zay hitanao tegny an-tàgnan-kavanako, sy iregny fasiana jiro volamena fito: "Ny kintana fito de iregny anjelin'ny fiangonana fito, ka ny fasiana jiro fito de iregny fiangonana fito.